PolitikaSongadim-baovao

GOVERNEMANTA: Fotoana izao hanaovana tombana ireo minisitra

Fomba fiasa vaovao napetraky ny Filoha Andry Rajoelina tamin’izao fiverenany eo amin’ny Fitondrana izao ny fanaovana tombana ireo minisitra mpiara-miasa eo anivon’ny Governemanta, miainga amin’izay vina na tetikasa nifanarahana taminy. Araka izany, fotoanan’ny fanaovana tombana tokoa ny volana janoary tahaka izao, izay mifanindra andalana rahateo amin’ny fe-potoana enim-bolana nomen’ny Filoha, ireo mpikambana ao amin’ny Governemanta tsirairay avy.

Samy nanana ny vina na ny “contrat programme” nifanarahany tamin’ny Filohan’ny Repoblika daholo ny minisitra tsirairay avy ao anatin’ny Governemanta. Miainga avy amin’iny vina iny, noho izany, no hahafahana manao tombana ireo minisitra mpiara-miasa amin’ny Filoha ireo. Nahavita ny andraikiny avokoa ve? Maharaka ny dian’ny Filoha avokoa ve? Ary koa, tratra ve ny tanjona napetraky ny Filoham-pirenena momba ny departemanta izay sahaniny? Naneho hevitra mahakasika izany indrindra ny Depiote Fetra Rakotondrasoa, omaly, izay nilaza fa ny vokatra no hahafahana mitazona na manolo ny mpikambana ny Governemanta iray. Nahitsy ity tomponandraikitra ity nilaza fa misy minisitera tena miasa sy manatanteraka ny vina napetraky ny Filoham-pirenena, ary azo tsapain-tanana ny asa vita eto anivon’ny firenena. Etsy ankilany anefa hoy izy, misy  ireo minisitra no misehoseho fotsiny amin’ny haino aman-jery sy ny tambazotra sosialy fa tsy misy fiantraikany mivantana amin’ny vahoaka sy amin’ny minisitera izay tantaniny akory ny asa ataony. Mila handraisana fepetra ireny, hoy i Fetra Rakotondrasoa. Nilaza ity farany fa ny Filohan’ny Repoblika sy ny Praiminisitra ihany no tompo-kevitra sy manana fahefana amin’ny fanoloana ny Minisitra. Na izany aza, nanamafy ny tenany fa olona mahavita azy, mahay, mifampizara vina tamin’ny Filoham-pirenena, mitovy fomba fijery, mahay ny lafiny teknika kanefa mila mahay ny lafiny politika koa, no tokony hatao minisitra. Notsindriany fa toerana politika ny toerana maha minisitra. Dikany, tsy afaka ny hialokaloka fotsiny amin’ny maha teknisianina izay olona tendrena eo amin’ny toerana fa tokony ho afaka miaro sy manazava ny politikam-panjakana amin’ny ankapobeny.

Mila minisitra miasa haingana kokoa ny Filoha

Tetsy ankilany, nanamafy ny Filohan’ny Repoblika, nandritra ny Filankevitry ny Minisitra omaly fa “Tsy manana fotoana laniana be intsony isika amin’ny fivoriana sy ny adihevitra, fa fotoanan’ny asa izao ary miandrandra vokatra avy aty aminareo Minisitra sy Governemanta ny Vahoaka malagasy. Koa mila antsika miasa, haingana kokoa, tsara kokoa ary betsaka kokoa ankehitriny. Asa ahitam-bokatra mivaingana ary mitondra any amin’ny fampandrosoana sy ny fivoarana eto amin’ny firenena”. Nohamafisiny fa tokony hanombohana sy hanafainganana ireo tetikasa toy ny lalana, tramway, ny angovo azo avy amin’ny rivotra, ny masoandro ary ny rano, ny fanomezana sy fampitomboana ny rano fisotro madio na an-tanan-dehibe na ambanivohitra. Mbola notsindrian’ny Filoha ihany koa fa tsy maintsy atomboka amin’ity volana janoary ity ny dingana rehetra mikasika ny Tanamasoandro ka hisy ny brigade manokana hikarakara ranoray ny fanatanterahana io tetikasa io tsy maintsy hajoro eo anivon’ny minisitera roa, ahitana ny misahana ny asa vaventy sy ny misahana ny fananganana ny tanàna vaovao. Tsara marihana fa amin’ny 19 janoary izao no hatolotra ho fantatry ny rehetra na ny mpamatsy vola, na ireo mpampiasa vola na ireo sehatra rehetra ny “Plan Emergence Madagascar” na ny drafi-panandratana an’I Madagasikara.

Fermer