PolitikaSongadim-baovaoTrangam-piaraha-monina
FAMERENANA IREO VOLAMENA 73Kg: Hohenjehina izay mikasa hanao fanelanelanana
“Tsy kely lalana ny ratsy”, hoy ny Solombavambahoakan’I Madagasikara voafidy tao Miarinarivo, Rakotondrasoa Fetra, raha naneho hevitra mahakasika ilay raharaha volamena 73kg. Fandrobana ny harem-pirenena ireny, hoy izy, ka andrasana ny fanadihadiana. “Misy ny siosion-dresaka mandeha mahakasika ny hoe olon’ny fitondrana ihany no ambadika. Izahay na dia depiote manohana ny Fitondrana aza dia manao antso avo amin’ny mpanatanteraka mba hanao fanadihadiana lalina, ary hampihatra ny lalàna amin’izay mandika izany. Na inona ny toerana misy aza, na inona antoko misy azy”, hoy izy. Ity farany izay nanipika mazava tsara fa tsy vitan’ny mandroba ireo mpanao ratsy fa sady manala baraka an’I Madagasikara sy ny vahoaka malagasy rehetra mihitsy eo amin’ny sehatra iraisampirenena. Niantso ny Fanjakana tsy hilefitra, noho izany, ity Solombavambahoaka ity.
Haverina ao amin’ny Banky Foibe
Tetsy ankilany, mivoatra hatrany ny toe-draharaha, ka araka ny tatitry ny filankevitry ny Minisitra omaly, dia nitory ny Fitondram-panjakana malagasy manoloana ity trangana fanondranana volamena antsokosoko avolenta ity. “Tsy maintsy atao ny fomba rehetra hamerenana io volamena io ao amin’ny Banky Foiben’i Madagasikara, ary hiroso tsy ho ela ny fitsaràna ity raharaha ity eny anivon’ny PAC na ny Pôle Anti-Corruption”, hoy ny fampitam-baovao. Eo anatrehan’izany, hohenjehina ary hiharan’ny sazy ireo rehetra izay mikasa ny hanelanelana na hisakantsakana amin’ny fanatanterahana izany fampodiana azy ireo izany eto an-tanindrazana. Ankoatra izay koa, tsy maintsy hampiharina ny lalàna ary hijoro tsy ho ela ny « Agence de Recouvrement des avoirs Illicites » araka ny efa voafaritra ao anaty didy hitsivolana mikasika izany. Hisy ny fifandraisana sy fiaraha-miasa amin’ny lafiny rehetra amin’ny fitondrana Afrikana Tatsimo. Notsiahivina tao anatin’ny tatitry ny Filankevitry ny Minisitra fa efa niato nanomboka ny volana Oktobra 2020 teo ny fanondranana volamena sy vatosoa ho antsika eto Madagasikara.




