PolitikaSongadim-baovao
LOHOLONA IRMAR 10 SY MMM 2: Hipetraka ho arofanina ho an’ny mpanatanteraka
Tontosa tetsy amin’ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana (HCC), omaly, ny lanonam-pitsarana goavana nanolorana ny vokatra ofisialy ny fifidianana Loholon’I Madagasikara, ny 11 Desambra lasa teo. Araka izany, toerana 10 no azon’ny lisitra “Isika rehetra miaraka amin’i Andry Rajoelina” na Irmar, raha toa ka 2 kosa no azon’ny antoko politika MMM. Tamin’ny ankapobeny, samy nilaza ireto Loholona vaovao vao lany ireto fa vonona hifanome tanana amin’ny Fitondram-panjakana amin’ny fampandrosoana ny Firenena, ary hipetraka koa ho arofanina.
Razafimahefa Herimanana avy amin’ny Irmar sy Rakotondrainibe Michel Andrianantenaina avy amin’ny MMM no voafidy ho Loholon’i Madagasikara eto amin’ny Faritanin’Antananarivo. Seramila Avizara Mino (IRMAR) sy Eddie Serge Fernand (IRMAR) kosa no lany ho an’ny Faritanin’Antsiranana. Ho an’ny Faritanin’I Fianarantsoa, nanao pao-droa ny lisitra Irmar, Rasolondratsimba Raymond (IRMAR), sy Rabemananjara Jean Paul Nicolas (IRMAR). Etsy ankilany, ny lisitra Irmar Bin Soufou Alidy sy Dinaraly Odilon Tiandaza kosa no lany ho an’ny Faritanin’I Mahajanga. Nahazo toerana iray ny lisitra avy amin’ny antoko MMM tao amin’ny Faritanin’I Toamasina, ny Loholona Raharinirina Sidonie. Lany niaraka taminy kosa ny Loholona Manasoa Dona Tang avy amin’ny Irmar. Tao amin’ny Faritanin’I Toliara dia nahazo toerana roa ny lisitra Irmar, ka lany tamin’izany Rakotomamonjy Neypatraiky André sy Eongobelo Jean Marcel.
Araka izany, samy nilaza ny ho vonona hifanome tanana amin’ny Fitondram-panjakana mijoro ankehitriny, na ny avy amin’ny Irmar, na ny avy amin’ny MMM. Ireto farany izay nilaza fa ho hery politika iray eo anivon’ny Antenimierandoholona. “Mazava fa manana tamberin’andraikitra izahay amin’ireo mpifidy vaventy, ary tsy maintsy handray ny andraikitray izay mifanojo amin’izany”, hoy Rakotondrainibe Michel Andrianantenaina. Na izany aza anefa, nanamafy izy ireo fa miara-dalana amin’ny fitondram-panjakana hatrany. Etsy ankilany, nilaza Razafimahefa Herimanana, Loholona avy eto Antananarivo, fa na dia lany tamin’ny loko politikan’ny Fitondrana aza izy ireo, dia tsy hanara-drenirano fotsiny ihany izay ho ataon’ny fahefana mpanatanteraka fa hipetraka ho arofanina hatrany. “Natao handalina sy hamakafaka izay lalàna avy any amin’ny Governemanta na ny Antenimieram-pirenena ny Loholona. Tanjona ny hifandrifian’ny fanaovan-dalàna rehetra atao amin’ny tombontsoam-bahoaka”, hoy ity olom-boafidy ity.
Ny 25 Janoary ny fifamindram-pahefana
Nandritra ny lahateniny, nilaza ny Filohan’ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana, Rakotoarisoa Jean Eric, fa manana iraka goavana ireto Loholona vao lany ireto amin’ny fihazonana ny hasin’ny Antenimerandoholona. Nambarany fa manana andraikitra amin’ny famerenana ny fatokisan’ny vahoaka ny olom-boafidy ny Loholona. Loholon’I Madagasikara no hiantsoana azy ireo, noho izany, mitaky fitondran-tena tsara miampy fahendrena izany. Izy izay nanamafy fa tokony ho olona to teny eny anivon’ny fiarahamonina izany Loholona izany. Eo anatrehan’ireo, fanamby lehibe no miandry ireto Loholona vaovao handrafitra ny Lapa maitson’Anosikely ireto.
Tsara marihana fa manana hatramin’ny 15 andro ny Filohan’ny Repoblika hanendrena ireo Loholona enina ambiny, aorian’ny famoahana ny vokatra ofisialy. Mivory voalohany kosa ireo Loholona rehetra amin’ny talata faharoa aorian’ny famoahana ny vokatra ofisialy. Fivoriana izay hananganana ny birao maharitra sy Vaomiera eo anivon’ny Antenimierandoholona. Ny 25 Janoary kosa no voafaritra hanatanterahana ny fifamindram-pahefana eo amin’ny birao maharitra vaovao sy ny teo aloha.
Nampiavaka ity fifidianana Loholona ity ny tsy fisian’ny fitoriana voarain’ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana. Na izany aza anefa, nisy ihany ireo trangana tsy fanarahandalana voamarin’ny Ceni, izay mbola nodinihin’ny HCC ihany koa. Raha tsiahivina, biraom-pifidianana tamin’ny distrika miisa 2 teto madagasikara no nahitana tsy fanarahan-dalana. Isan’izany ny Distrikan’i miandrivazo, izay tsy nitovy tamin’ny voarakitra an-tsoratra ny fanamarinana nataon’ny ceni. Tao amin’ny Distrikan’I Morombe kosa, nisy mpifidy vaventy miisa 3 nitondra bileta tokana avy any ivelany izay tsy nanaraka ny voalazan’ny lalàn’ny fifidianana. Ho an’ny tao amin’ny Distrikan’i miandrivazo, dia izay voamarina tao aorian’ny fanisam-bato no noraisin’ny Hcc ho manankery, raha toa ka tsy nampiova ny isan’ny vato azon’ny kandida avy ireo bileta tokana nentin’ireo mpifidy vaventy avy any ivelany noho izy ireo tsy nampiasaina. Na izany aza, efa mitohy ny fanadihadiana tamin’ireo tompon’antoka tamin’ny tsy fanarahan-dalana izao.


