PolitikaSamihafaSongadim-baovaoSosialy

MPIANATRY NY ENS: Nitohy omaly ny hetsika, nanolotra vahaolana ny minisitera

Vaovao nanamarika ity herinandro ity ny fitakiana nataon’ireo mpiofana ho mpampianatra nandalo tao amin’ny ENS tetsy Ampefiloha. Mbola nitohy ny tontolo andron’ny omaly ity hetsika ity. Fotoana izay nanaovan’ny solontenan’ny Minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena fidinana teny an-toerana nanolorana vahaolana ho an’ireo mpitokona, saingy tsy nisy ny marimaritra iraisana teo amin’ny roa tonta.

Nikorontana indray ny teny amin’ny manodidina ny Sekoly ambony fanofanana mpampianatra (ENS) Ampefiloha, omaly nanomboka ny maraina. Korontana izay tohin’ny fitokonan’ireo mpianatra avy ao amin’io sekoly ambony io. Tsiahivina fa ny tokony handraisana ireo mpianatra rehetra mivoaka amin’io sekoly io ho mpiasam-panjakana no anton’ny fitakiana. Nitohy ny filanjana sora-baventy tamin’izany, naneho izany fitakiana izany. Tonga nifampidinika tamin’ireo mpianatry ny Ens Ampefiloha omaly ny solontenan’ny Minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena. Ireto farany izay nilaza fa mpiofana miisa 234 no ho raisina ho mpiasam-panjakana, izay efa nahazo fankatoavana tamin’ny Minisiteran’ny Vola. Antontan-taratasina mpianatra miisa 82 ihany koa no efa ao amin’ny fitaleavana misahana ny maha olona amin’izao fotoana, hoy izy ireo. Tsy neken’ny mpianatra anefa io vahaolana nentin’ny Minisitera io, fa ny mpianatra rehetra mivoaka sy mahavita fianarana no tokony ho raisina mpiasam-panjakana. Nitohy hatramin’ny omaly hariva ny hetsika nataon’ny mpianatry ny ENS.

Tsy nivoaka ny faritry ny sekoly ireo mpianatry ny ENS Ampefiloha ho an’ny omaly. Nisy ny fivoriana niarahan’ny mpianatra sy ny solontenan’ny minisitera, ary nanaovana tatitra tamin’ireo mpianatra tao amin’ny Amphi-theatra ENS Ampefiloha. “Ny lisitra izay eken’ny mpianatra, fa avoakan’ny mpandraharaha isaky ny Ecole normal Supérieur manerana ny Nosy no ekena hanaovana fandraisana ho mpiasam-panjakana ho an’ny andiany fahafito”, hoy ny solontenan’ny minisitera. Ity farany izay nanamafy fa tsy maintsy havadika ho lalàna vao afaka hampiharina ilay “protocole d’accord”. Araka izany, niverina nivory ireo tomponandraikitra avy tao amin’ny Minisitera, izay naharitra ora vitsivitsy. Nandritra izany no niverina nandoro kodiarana teo ivelan’ny sekoly indray ireo mpianatra.

Mpianatra 16 no voasambotra tany Diego

Nifanindra an-dalana tamin’ny hetsiky ny mpianatra tetsy amin’ny ENS Ampefiloha, nisy ihany koa  fihetsiketsehana tany Diego ny tontolo andron’ny omaly, nataon’ny mpianatry ny ENS ET tany an-toerana. Mpianatra 16 no fantatra fa voasambotra tamin’izany. Fiaran’ny mpitandro filaminana iray koa no vaky noho ny fitorahana nataon’ny mpianatra. Hetsika fanehoana fiarahamientana amin’ireo mpianatry ny ENS Amplefiloha ity niseho ity, araka ny fanazavana. Araka ny fampitam-baovao, diabe niharo doro kodiarana sy horakoraka no nataon’ireo mpianatra, ary nihazo ny Fitaleavam-paritry ny fanabeazam-pirenena any an-toerana. Vokatry ny fihetsiketsehana kosa, naratra ny filohan’ny fikambanan’ny mpianatra. Marihana fa mpianatra ENS ET hatramin’ny taona 2018 ireto nitokona ireto. Araka ny fantatra dia nisy ny fihaonana teo amin’ny mpitandro filaminana sy ny mpianatra any an-toerana. Tapaka tamin’izany fa ho avotsotra ireo mpianatra 16 voasambotra ireo. Nanaiky ny hampitsarahatra ny hetsika ny mpianatra taorian’ny fifampiresahana. Ho an’ny eto Antananarivo kosa, mbola andrasana izay ho tohin’ny raharaha…

Fermer