SamihafaSongadim-baovaoSosialy
KAOMININA ANALAVORY : Vita ny tranompokonolona, famonoan’omby, kianja filalaovam-baolina,…
Misongadina tanteraka ny zava-bita ao amin’ny kaominina Analavory, Distrikan’i Miarinarivo, ankehitriny. Araka ny nambaran’ny Ben’ny tanàna avy any an-toerana, Rakotoniaina Rivosoa Olivier, dia nitohy hatrany ny asa fampandrosoana ny tanàna na dia nandritra ireny vanim-potoan’ny fihibohana ireny aza. Noho izany, amin’izao fiandohan’ny taona 2021 izao dia azo tsapain-tanana ireo fotodrafitrasa vaovao. Isan’izany ny Kianja maintso filalaovam-baolina, izay handray lalao goavana sahady rahampitso Alahady. Tafiditra ao anatin’ny asa vita any an-toerana ihany koa, araka ny fanazavana, ny fanavaozana ny tranompokolona. Araka ny nambaran’ny ben’ny tanàna hatrany, fiarahamiasa avy amin’ny tetikasan’ny Filoham-pirenena no nahafahana nanao io asa fanavaozana io. Ankoatra ny fahavitan’ny fotodrafitrasa, efa manana fanamafisam-peo ihany koa ity tranompokonolona ity ankehitriny, miaraka amin’ny seza afaka mivalona miisa 300. Ankoatra izay, isany asa goavana vita an-tampon-tanànan’Analavory ihany koa ny fanavaozana ny toeram-pamonoan’omby. Fantatra fa efa nohavaozina tanteraka ity toerana ity ka misy toerana voatokana hamonoana kisoa sy fandorana izany. Marihana fa manodidina ny kisoa 6 isanandro eo no vonoina ao amin’io toerana io. Misy koa ny famonoana omby izay mandray omby miisa 6 ka hatramin’ny 7 isanandro eo.
Tsara marihina fa Analavory no lehibe indrindra amin’ireo Kaominina mandrafitra ny Distrikan’I Miarinarivo, ahitana Fokontany 24. Ho an’ity taona 2021 ity, anisany hisongadina ny famitana ny tsena lehibe any an-toerana, izay tombanana ho vita amin’ny fiafaran’ny volana janoary. Araka ny fanazavana, hahazaka mpivarotra hatrany amin’ny 3000 isa ity fotodrafitrasa ity. Mazava ho azy, noho izany, hitombo ny vola hiditra amin’ny kaominina hahafahana manao ireo asa fampandrosoana hafa, toy ny fanamboaran-dalana. Mbola mila hamafisina kosa anefa ny lafiny fampidiran-ketra any an-toerana.




