PolitikaSongadim-baovao

LOHOLONA VAOVAO SY NY DEPIOTE : Miandrandra fifandrindrana asa bebe kokoa ny Depiote Fetra Rakotondrasoa

Manana anjara toerana lehibe ny Loholon’i Madagasikara, raha mbola ny lalàmpanorenana manan-kery ankehitriny no hifotorana. Io no nambaran’ny Solombavambahoakan’i Madagasikara voafidy tao Miarinarivo, Fetra Rakotondrasoa, omaly, tao amin’ny radio nasionaly. Notsiahiviny fa nisy tokoa ny fampanantenana nataon’ny Filoha ny hanafoana ny « Sénat », saingy voasakan’ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana izany. Ka ny fampihenana ny isan’ny Loholona no azo nirosoana. Manolotsaina amin’ny lafiny ara-toekarena sy sosialy ny Loholona, ary miahy ireo vondrombahoaka istinjarampahefana. Amin’izao fotoana, efa manohana zato isan-jato ny Fanjakana avokoa ireo Loholona. Zava-dehibe izany, hoy ny Depiote Fetra Rakotondrasoa, satria teo aloha ny Antenimierandoholona dia lasa toeram-pamaharan’ny antoko mpanohitra, indrindra ny HVM sy ny TIM. Nilaza ny Depiote Fetra Rakotondrasoa fa tsy ataon’ny Loholona teo aloha ho zava-dehibe ireo lalàna lany eny amin’ny Antenimieram-pirenena. « Manomboka izao izany, afaka manantena ny vahoaka malagasy fa hahay hifandrindra amin’ny Antenimieram-pirenena, amin’ny fahefana mpanatanteraka, ary hanatanteraka tsara ny asany amin’ny antsakany sy andavany ny Loholona, tsy hipetraka intsony ho sakana amin’izay fanapahan-kevitra raisin’ny Fitondram-panjakana sy ny vahoaka malagasy ity Andrimpanjakana ity », hoy izy. Eo anatrehan’izany kosa, tsy manana fialana olana intsony izany ny Fitondram-panjakana ka hanao, toy ny teo aloha, hoe ao amin’ny Senat no olana. Na izany aza anefa, nanamafy ity tomponandraikitra fa tsy tokony handalo sy hiserana fotsiny ireo lalàna rehetra mankao amin’ny Antenimierandoholona. Azo atao tsara, hoy izy, ny mitondra fanakianana, fanatsarana, adihevitra sy ny sisa, na dia tsy mpanohitra aza.

Fermer