PolitikaSongadim-baovao
RAHARAHA VOLAMENA 73,5KG: Hiakatra fitsarana anio ireo telo lahy any Afrika Atsimo
Mihazakazaka tanteraka ny fizotry ny raharaha fahatrarana volamena milanja 73,5Kg tatsy Afrika Atsimo, ankehitriny. Araka ny fantatra, amin’ity anio ity no hiakatra fitsarana ao Johanesbourg, ireo telo lahy sarona niaraka tamin’ny volamena tany an-toerana. Fantatra ihany koa, fa efa any amin’ity firenena ity ireo iraky ny Fitondram-panjakana malagasy avy eto Madagasikara, hanatrika io fotoam-pitsarana io.
Amin’ity anio ity no nofaritan’ny Fanjakana Afrikanina Tatsimo hampiakarana ireo telo lahy voasaringotra tamin’ny raharaha volamena 73,5Kg, eo anoloan’ny Fitsarana ao Johanesbourg. Efa any an-toerana amin’izao fotoana, ireo iraka avy tamin’ny Fanjakana malagasy, hanatrika izany fotoam-pitsarana izany. Tsara ho fantatra fa ity fandefasana iraka tany Afrika Atsimo ity, dia tohin’ny fangatahana fiaraha-miasa ara-pitsarana eo amin’ny tany roa tonta, mba hamerenena ireo harem-pirenena sarona ho eto Madagasikara, miaraka amin’ireo telo lahy anisany voasaringotra sy tratra nitondra ny entana. Raha tsiahivina ny dingana efa natao, dia niainga tamin’ny fangatahan’ny Fitondram-panjakana malagasy alalana avy amin’ny iraisam-pirenena, noho ny tsy mbola fananantsika taratasy ara-panjakana, hahafahana mangataka mivantana amin’i Afrika Atsimo ny raharaha tahaka itony. Teo koa ny efa nandraisan’ny minisitry ny Raharaham-bahiny malagasy, ny dokotera Tehindrazanarivelo Djacoba A.S. Oliva, ny solontenan’ny Masoivoho Afrika Atsimo, ny faran’ny herinandro teo, izay nanomezany io taratasy fangatahana io. Andrasana, noho izany, izay mety ho fanapahana hivoaka amin’ity fotoam-pitsarana ity. Tanjona ny hahatongavan’ireo voarohirohy eto an-tanindrazana, hahafahana manenjika azy ireo ara-pitsarana, indrindra koa ny hiverenan’ireo harem-pirenena.
Tsy azo ekena ny fanelanelanana
Ny asa sy ny hetsika rehetra ataon’ny Fitondram-panjakana ankehitriny, hatreto, dia manaporofo ny finiavana hamoaka ny tena marina sy ny tompon’antoka rehetra tamin’ity raharaha ity. Raha tsiahivina, nambaran’ny mpitondra tenin’ny Governemanta, ny zoma lasa teo, fa hentitra dia hentitra tokoa ny Filoham-pirenena tamin’ny fanomezana baiko amin’ny tsy maintsy hanenjehina ary hanasazina mafy araka ny lalàna, ireo rehetra izay voakasik’ity fanondranana an-tsokosoko sarona ity. Notsipihiny manokana nandritra izany, fa na sanatria aza misy olona ao amin’ny fitondrana, na akaiky ny Filoha anisany voarohirohy amin’io raharaha io, dia tsy ho leferina fa tsy maintsy saziana daholo. Nanamafy ny Filoha, fa mila mivoaka ny marina rehetra mahakasika ity raharaha ity, fa tsy misy afenim-penina, ka hanimba ny fahatokisan’ny vahoaka sy ny fifandraisana amin’ny firenena any ivelany. Mbola nohamafisin’ny Filan-kevitry ny minisitra mihitsy aza izany, fa tsy azo ekena ny fanelanelanana mety hisy rehetra amin’ny dingam-pamerenana an-tanindrazana ireo volamena. Hiharan’ny sazy avy hatrany kosa, izay mikasa hanao izany.
“Trondro vaventy”?
Eo anatrehan’ireo, anefa, mbola misy ihany ireo milaza fa “manodinkodin-dresaka ny Fitondram-panjakana, ary tsy mitsotra izay tena tompon’antoka”. Ny tsy tokony hohadinoin’ny rehetra, anefa, misy ny tomponandraikitra manokana natao hisahana ny fanadihadiana amin’ny raharaha toy itony. Amin’ity tranga iray ity manokana, efa nisy vokatra mivaingana azo tamin’ny fanadihadiana ireo tomponandraikitra teo anivon’ny ACM, sy ny Kaompania fitaterana tsy miankina iray, ary ireo mpanamory fiaramanidina izay an’io kaompania io ihany. Misy ireo milaza ny tokony hamoahana ho fanta-bahoaka ireo “trondro vaventy”, na ireo tena lehibe tompon’antoka tamin’ny asa fanondanana an-tsokosoko. Ny fanontaniana mipetraka dia ny hoe, ho avotsotra àry ve izany ireo efa voasambotra satria irakiraka fotsiny ? Ary inona no atao hoe “trondro vaventy”, satria toa efa tomponandraikitra ambony teo anivon ‘ny ACM ihany, ireo naiditra am-ponja vonjimaika ireo? Ary ny tsy tokony hohadinoina ihany koa, dia mbola mitohy ny fanadihadiana sy ny fakana am-bavany isan-karazany amin’izao fotoana. Entina hilazana fa tsy misy mihitsy firaisana tsikombakomba ataon’ny Fanjakana ankehitriny, fa rehefa vandana dia kary! Rehefa voamarina fa nanao ny tsy nety dia iharan’ny sazy avy hatrany. Tantara mitohy andrasana…
Ny Fanoratana.



