SamihafaSongadim-baovaoSosialy

FIAKARAN’NY ANTONTANISA COVID-19: Misy fepetra manokana raisin’ny Minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka

Isany vaovao nanaitra ny maro nanomboka ny faran’ny herinandro teo, ny fiakaran’ireo tranga vaovao voamarina fa mitondra ny tsimokaretina Covid-19 teto Madagasikara, tao anatin’ny herinandro farany. Omaly, nitondra fanazavana bebe kokoa mahakasika izany ny Minisitry ny Fahasalamam-bahoaka, ny Profesora Rakotovao Hanitrala Jean Louis, izay nilaza fa fiakarana vokatry ny fifampikasohana be loatra tamin’ny fety ireny, ary efa misy fepetra manokana raisina ankehitriny ho fifehezana ny fiparitahan’ny valanaretina.

Analamanga no lohalaharana tamin’ny Faritra betsaka tranga voamarina indrindra, raha ny tatitry ny CCO farany teo no hiverenana. Olona 93 mantsy no nahitana ny tsimokaretina Covid-19 teto afovoan-tany tao anatin’ny herinandro. Nanaraka azy kosa ny Faritra Boeny, tamin’ireo tranga vaovao niisa 48. Raha tsiahivina, nitotaly 234 ireo tranga vaovao ireo nanerana ny Nosy, araka ny antontanisa. Betsaka ny taitra sy nametra-panontaniana ny mahakasika ny mety hampimparitaka be indray ity valanaretina ity eto amintsika. Efa tonga hatrany amin’ny mety hiverenana fanindroany indray amin’ny fihibohana aza ny adihevitry ny olona sasany. Omaly, nitondra fanazavana ny tomponandraikitra voalohany amin’ny sehatry ny fahasalamana eto Madagasikara, ny Minisitra, Profesora Rakotovao Hanitrala Jean Louis. Ity farany izay nanazava fa fifampikasohana nandritra ireny fetin’ny krismasy sy ny faran’ny taona ireny no nahatonga ny fiabon’ny tarehimarika. Nitsotra ity tomponandraikitra ity fa efa roa volana mialoha no niomana amin’ny fiatrehana ny fety ny teo anivon’ny Minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka. Tanjona, hoy izy, ny hifehezana araka izay tratra ny mety ho fiparitahan’ny valanaretina amin’ny alalan’ny fifampikasohana, na dia mbola ao anatin’ny fisian’ny valanaretina tanteraka aza no misy antsika amin’izao fotoana.

“Tracing contact”

Araka ny fanambaran’ny Minisitry ny Fahasalamam-bahoaka, mbola voafehy, ary azo atao hatrany ny mifehy ny fiparitahan’ny valanaretina hatreto. Eo anatrehan’izany, misy ny fepetra efa raisin’ny Fanjakana, amin’ny alalan’ny Minisitera tomponandraikitra. Tafiditra ao anatin’izany ny fanaovan’ny mpiasan’ny fahasalamana “tracing contact”, izay hahafantarana ireo olona nifandray tamin’ny olona voan’ny Covid-19. Miroso hatrany koa ny fitiliana. Tsara ho fantatra fa amin’izao fotoana, mifanindra andalana amin’ny fitiliana Covid-19 koa ny fitiliana ny tahan’ny siramamy, ny fitiliana fiakaran’ny tosidrà, na areti-mifindra hafa.

Fampiharana fepetra sakana

Fotoana ihany koa omaly nanambaran’ny Minisitra tomponandraikitra fa Faritra roa izao no mila handraisana fepetra manokana. Ny iray amin’ireo misy asa sy ezaka manokana atao saingy eo amin’ny fampanajana ireo fepetra no mbola mila hamafisina. Ankehitriny, tsy mbola miala amin’io faritra io ny Covid-19, ary mbola any an-toerana ny ekipa avy aty amin’ny minisitera foibe ankehitriny. Ny iray hafa dia ahitana tranga misy fahasarotana maro. Araka izany, manentana hatrany ny tokony hanamafisana ny fampiharana ireo fepetra sakana ny Minisitra tomponandraikitra. Isan’izany ny fanaovana arotava, fanasana tanana, fanajana ny elanelana iray metatra. Tsy nanadino ny nanentana ireo namana mpiara-miasa rehetra amin’ny tontolon’ny fahasalamana ny minisitra fa hanamafy ny fanentanana ho an’ny mpiara-belona. “Mila mandray fepetra ihany koa ny CRCO rehetra amin’ny fampanajana ireo fepetra rehetra”, hoy ny Minisitra.

Isany nomarihin’ny Minisitra fa tsara ny mahafantatra mialoha ny toe-batana, indrindra ho an’ireo  olona manana aretina mitaiza, na diabetika, na miakatra tosidrà, mba hahafahana misoroka mialoha ihany koa ny valanaretina. Tsy nanadino ny nampahatsiahy ny tokony hisotroana hatrany CVO koa ny Minisitra. Nambarany fa “reharehantsika Malagasy ny fananana ny CVO. Nahitantsika voka-tsoa ireny voka-pikarohana malagasy ireny izay sady hahafahana miaro io no hahafahana mitsabo”.

Fermer