
Songadim-baovao
FOLOALINDAHY MALAGASY: Mihavao hatrany ho andry sy tokin’ny Firenena
12 Janoary. Io no daty hanamarihana isan-taona ny Andron’ny manamboninahitra. Tsy nohadinoina ny nanamarika io fotoan-dehibe io ho antsika eto Madagasikara, ny tontolo andron’ny omaly. Hetsika maro no niseho, ary nandray anjara tamin’izany avokoa ireo andrimpanjakana voakasika rehetra, nanomboka tany amin’ny fiadidiana ny Repoblika, ny primatiora, ny Minisiteran’ny Fiarovam-pirenena, ny Zandarimariam-pirenena.

Nanatrika ny Andron’ny Manamboninahitra ny Filoha Andry Rajoelina sady Filoha faratampony Foloalindahy izay marihina isaky ny 12 janoary. Teo amin’ny foiben’ny Vondrona Mpiaro ny Filoha no natao ny lanonana ho fanamarihana ny Andron’ny Manamboninahitra. Nitarika izany ny Filohampirenena sy ny Minisitry ny Fiarovam-pirenena ny Jly Rakotonirina Richard. Natomboka tamin’ny fananganan-tsaina ny lanonana. Noredonina avy eo ny Hiram-pirenena malagasy sy ny Anjomara. Tahaka ny andron’ny 12 janoary, misy hatrany ny fanolorana ny « oie traditionnelle » ho an’ny Filoha. Fanatanjahantena sy fiaraha-misakafo koa no nentina nanamarika ny Andron’ny manamboninahitra. Nitarika ny hazakazaka ny Filoha Andry Rajoelina. Nanamafy ny Filoha ny fanohanany ny Foloalindahy sy ny famerenana ny hasiny. Natao tsotra ny fanamarihana ny Andron’ny manamboninahitra noho ny fahalasanan’ny Lehiben’ ny Etamazaoron’ny Tafika anabakabaka, Général de Brigade aérienne Radona Ellis Ratiarivelo, araka ny tatitry ny Minisitry ny Fiarovam-pirenena.Tetsy ankilany, toy ny fanao isan-taona, isany nanamarika ny Andron’ny manamboninahitra ny teo anivon’ny Primatiora ka tao amin’ny Lapam-panjakan’i Mahazoarivo no nanatanterahana izany. Tonga nanome voninahitra ny fotoana ny Lehiben’ny governemanta, Ntsay Christian, ary izany dia notanterahina tao anatin’ny fitandremana ara-pahasalamana hatrany.
Niavaka no nankalazana ny « Andron’ny manamboninahitra » teo amin’ny Zandary

Horakoraka, poa-basy lavareny, baiko hentitra no nentin’ireo Manamboninahitra zandriny namoha vao tsy mangirandratsy akory ireo Manamboninahitra zokiny eraky ny toby sy ny lakazera rehetra manerana ny Nosy. Notontosaina io maraina io tao amin’ny Toby Jeneraly Ratsimandrava Richard tetsy Andrefan’Ambohijanahary, natrehan’ny Jly Andriamahefa, izay nivoaka tamin’ny andiany voalohany tao amin’ny Akademia miaramila sady « Major de promotion » sy ny Jly Ravalomanana Richard, Sekreteram-panjakana miadidy ny zandarimaria (SEG) ary ny Jly Andrianjanaka Njatoarisoa, Kaomandin’ny zandarimariam-pirenena (COMGN) niaraka amin’ireo Manamboninahitra rehetra tsy ankanavaka. Ny Manamboninahitra zandriny indrindra no nitarika ny fibaikoana omaly, ka nandahatra ny tontolo andro. Araka ny fomba fanao fiandohan’ny andro fankalazana, dia nisy ny fananganan-tsaina sy ny firedonana ny hira fanevan’ny Akademia miaramila dia ny « Feon’Anjomara » ary ny fanolorana solombodiakoho (Oies traditionnelles) ho an’ireo Manamboninahitra zokiny indrindra.
Ny jeneraly SEG kosa, nifanotrona tamin’ireo Manamboninahitra rehetra, dia nanolotra lelavola 4.000.000Ar ho an’ireo Zandry ho fanampiana famatsiana sy ho fitsinjovana enti-manatsara ny asa. Nohamafisiny fa tokony ho hita taratra eny anivon’ny fiarahamonina sy mpiray tanindrazana ny maha maodely ny Manamboninahitra zandary. Narahina hazakazaka itambarana nanodidina ny farihin’Anosy izany. Nofaranana tamin’ny fanatanjahantena iraisana toy ny basikety, « volley-ball », tennis ambony latabatra ary tsipy kanetibe ny tapany maraina.

Tsiahivina fa fombam-pitaizana sy soatoavina ara-miaramila nipoitra sy niainana avy ao amin’ny Akademia miaramila Antsirabe nanomboka ny niorenany, ny 12 janoary 1967 nentin’ireo mpianatra manamboninahitra hanehoana ny hetahetan’izy ireo hanatsarana ny tontolom-piainany sy ny fanabeazana ary ny fitaizàna, io andro nankalazana omaly io. Taty aoriana, napetraka ho « Andron’ny Manamboninahitra » miaramila malagasy rehetra ny 12 janoary, ka nankalaza izany avokoa ny eo anivon’ny Zandarimariam-pirenena sy ny Tafika malagasy.
Nitondra teny firariantsoa ny minisitry ny Fiarovam-pirenena…

Fa tsy nandalo fotsiny tokoa iny fankalazana ny Andron’ny Manamboninahitra, isaky ny 12 janoary iny, raha tamin’ity taona 2021 ity, na teo aza ny raho-mitatao eo amin’ny Tafika malagasy, tamin’ny nahalasan’ny Général de Brigade Aérienne Radona Ellis Ratiarivelo, lehiben’ny Etamazaoron’ny tafika anabakabaka. Nankalazaina eran’i Madagasikara izany. Ankoatra ireo fanamarihana maro nataon’ny Foloalindahy teny amin’ny Lapan’Iavoloha, izay niarahan’izy ireo tamin’ny Filoham-pirenena, no sady Filoha faratampony Foloalindahy, Andry Rajoelina, nisy ny lahateny nentin’ny minisitry ny Fiarovam-pirenena, Jly Rakotonirina Jean Richard, niarahabana ireo Manamboninahitra rehetra eran’i Madagasikara. Nentiny tamin’izany ny fisaorana tamin’ireo ezaka vitan’izy ireo. Nantitranteriny koa, fa taonan’ny asa ny taona 2021 ity, izay hanatsarana ny fiarovana ny fandriam-pahalemana amin’ny ankapobeny. Nirary soa ny Foloalindahy sy manamboninahitra rehetra, araka izany, ny Jeneraly minisitry ny Fiarovam-pirenena, mba ho Tafika mijoro ho tandroka aron’ny vozona tokoa. Hijery izay tombontsoa rehetra ho an’ny firenena, ary ho fiarovana marina ho an’ny vahoaka malagasy rehetra, amin’ny fihetsika sy ny hatao, mba ho mendrika sy vonona hatrany ho reharehan’ny firenena.
Ho an’ny teo anivon’ny minisiteran’ny Fiarovam-pirenena manokana, nisy ny fankalazana ny 12 janoary tao anatin’ny fahamendrehana sy filaminana tanteraka, io fetin’ny manamboninahitra teto io, omaly maraina. Toy ny fanao isan-taona, ny manamboninahitra zandriny indrindra no mitarika sy mibaiko mandritra ny fankalazana, ka ny Lietnà Rabezandry Henintsoa, no nanatanteraka izany.
Misaona kosa ny Foloalindahy malagasy ankehitriny, manoloana ny fahalasanan’ny Jeneraly Radona. Fantatra fa matin’ny aretina teny amin’ny hopitaly miaramila Soavinandriana, izy, ny harivan’ny alatsinainy lasa teo. Mahatsiaro nilaoza-namana ny minisitera misy ity tomponandraikitra ambony teo anivon’ny Tafika anabakabaka ity. Izy dia fantatra fa olona nanana ny maha izy azy tokoa, teo amin’io tafika iray io, ary nanana ny anjara biriky feno teo amin’ny fanovan-drafitry ny Tafika malagasy amin’izao io. Olona mahatoky ny Jeneraly Radona, ary manampahaizana manokana eo amin’ny lafiny « Aeronotique », izay nampanana ny maha izy azy ny tafika malagasy, hatramin’izay nisiany… Ny fianakaviamben’ny vondrona Free, dia mirary fiononana feno ho an’ny fianakavian’ny Jly Radona Ellis Ratiarivelo, sy ny Foloalindahy malagasy izay nilaozany.
Rado Harivelo & Stan R.




