SamihafaSongadim-baovaoSosialy
FANDRAHARAHANA NY FONJA: Hisitraka fiofanana momba ny andraikiny ireo mpiandry fonja
Tranga nanamarika iny taona 2020 iny ny fisiana gadra nitsoaka sy ny fahavakisana Fonja teto amintsika, raha tsy hilaza afatsy ny tao amin’ny Fonjaben’I Farafangana. Ho an’ity taona 2021 ity, nanamafy ny Tale Jeneralin’ny Fandraharahana ny Fonja, fa hisy paikady manokana hampiharina ho fiambenana ny fonja, ary homena fiofanana fampahatsiahivana ny tena andraikiny ireo mpiandry fonja.
Miisa 16, hatreto, ireo voafonja mbola tsy tafaverina ao amin’ny Fonjaben’i Farafangana, taorian’ny trangana fahavakisana Fonja nisy tao an-toerana, ny Alahady 23 Aogositra 2020. Raha tsiahivina, tamin’io andro io, tokony ho tamin’ny mitataovovonana, dia nisy ny vaky fonja nataon’ny andiana gadra miisa 88. Nizara vondrona roa izy ireo. Ka nisy ireo avy any amin’ny lafiny atsinanan’ny fonja, ary nisy ireo avy any andrefana. Rehefa nigadona ny tamin’ny 12 ora, nanomboka nitoraka vato ireo mpiandry fonja ireo gadra avy ao amin’ny lafiny andrefana. Niaraka tamin’izay, niroso tamin’ny fitadiavana lalana avy amin’ny faritry ny toeram-pivoahana koa ireo voafonja avy tao atsinanana. Tsy nijanona tamin’izay, fa nataon’ireo gadra izay nahazoana ireo fitaovam-piadiana teny am-pelatanan’ireo mpiandry fonja, indrindra ny basy, izay nataon’izy ireo an-keriny.
Raha io tranga io no asian-teny, azo ambara fa efa voaomana mihitsy ny an’ireo voafonja, ary efa maty paika ny tetika hitsoahana ny fonja. Omaly, nanazava ny Tale Jeneralin’ny Fandraharahana ny Fonja, Ranaivo Andriamarohanina Tovonjanahary, fa miovaova hatrany ny fomba fisehoan’ny trangana fahavakisana fonja eto amintsika. Araka izany, tsy maintsy ovaovaina mifanaraka amin’izany koa ny paikady fiambenana ny fonja. Na izany aza, nanamafy ity tomponandraikitra ity misy mandringa ihany ny fitantanana ny fonja amin’ny ankapobeny eto amintsika, izay ahitana tsy fanarahan-dalàna matetika. Fotoana izay nilazany fa hisy ato ho ato fiofanana atao ho an’ireo mpiandry fonja. Mandritra izany, hisy ny fampahatsiahivana atao mahakasika ireo tena andraikitry ny mpiandry fonja. Tsiahivina fa tsy fiambenana fotsiny no antom-pisian’ny Fonja, fa manana andraikitra ihany koa amin’ny fitaizana ireo rehetra voafonja ao an-toerana. Tsy afa-miala fa manana andraikitra lehibe amin’izany ireo mpiandry fonja, antony maha zava-dehibe ny fampahatsiahivana azy ireo ny andraikiny.
Hamehana ara-pahasalamana
Na izany aza anefa, niaiky ny Tale Jeneralin’ny fandraharahana ny fonja fa nisy fahasarotany ny asan’ny mpiandry fonja nandritra ny vanim-potoan’ny Hamehana ara-pahasalamana. Notsiahiviny fa nikatona avokoa ny fitsarana rehetra tamin’ireny fotoana ireny, ka nahatonga ireo olona rehetra tokony hiakatra fitsarana lasa voatazona naharitra tany am-ponja. Ny fanajana ny fepetra ara-pahasalamana koa, tetsy andaniny, tsy maintsy natao. Ity farany izay mbola mitohy hatramin’izao, mba ho fisorohana ny fipariahan’ny valanaretina any anivon’ny Fonja. Fotoana izay nanamarihany fa tsy mbola misy voafonja tratran’ny Covid-19 eto amintsika amin’izao fotoana.




