SamihafaSongadim-baovaoSosialy

KAOMININA TSIAFAJAVONA: Vita ny asa fanavaozana ny tsena

Olona maherin’ny 2000 no mampiasa mivantana ny tsena ao amin’ny Kaominina Tsiafajavona. An-taonany maro anefa no tsy nisy fanavaozana ny  fotodrafitrasa tany an-toerana. Hany ka lasa mipetraka amin’ny tany sy mamotika hazo hanaovana latabatra ireo mpivarotra any amin’ity Kaominina ity. Araka izany, amin’izao fiatombohan’izao taona 2021 izao, dia nosantarin’ny Orinasa Star tamin’ny fananganana toeram-pivarotana manara-penitra miisa 26 ho fanohanana ny tsenam-barotra, ny tohana ara-tsosialy ho an’ny kaominina Tsiafajavona. Ambohi-pihaonan’ny mponin’i Tsiafajavona sy ny eo amin’ny kaominina manodidina ity tsena ity. « Zava-dehibe ny fanavaozana ny tsena, tsy hisy intsony ireo mpivarotra hipetraka amin’ny tany ary tsy hisy intsony ny famotehana ny hazo hatao fametrahana entana. Hanome fampidiram-bola ho an’ny kaominina rahateo ny fanofana ny tsena. » , hoy ny Ben’ny Tananan’ny tsiafajavona, Ratsimandavana Jean Eric Rosalphin.

Marihana fa tohin’ny asa sosialy efa nataon’ny orinasa Star ho an’ny distrikan’Ambatolampy izao fanarenana ny tsenan’ny Tsiafajavona izao. Fanamafisana ny fiaraha-miasa efa nisy teo aloha ary santatry ny fiaraha-miasa mbola ho avy eo amin’ny roa tonta rahateo izao. Raha tsiahivina, nanomboka ny taona 2014, taona nahazoan’ny orinasa Star ny ozinin’Ambatolampy dia tsy nitsahatra ny nanohana ara-tsosialy ny vahoaka teny an-toerana izy ireo. Tsara ho fantatra fa notanterahina ny alarobia 13 janoary ny fanokanana ny tsenan’ny Tsiafajavona nohavaozin’ny Star. Natrehin’ny Governoran’ny Faritra Vakinankaratra, ny Lehiben’ny Distrikan’Ambatolampy, ny Ben’ny Tananan’ny Tsiafajavona, ny solombavambahoaka lany teny amin’ny Distrikan’Ambatolampy, ny fikambanan’ny Ben’ny tanana ary ny Tale jeneralin’ny orinasa Star.

Fermer