KolontsainaSamihafaSongadim-baovaoSosialy
BOKY AVY AMIN’NY MASOIVOHO SINOA: Hanampy amin’ny fampahafantarana bebe kokoa an’i Chine
Herinandro vitsy taorian’ny fahavitan’ny asa fanavaozana natao teo anivon’ny tranombokim-pirenena, efa maro ireo ankizy sy tanora no tonga mitsidika ny toerana sy mamaky boky ankehitriny. Mbola hanamafy io fahalianan’ny tanora io ny fanoloran’ny firenena Sinoa boky maherin’ny arivo ho an’ity tranomboky ity. Omaly no nanolorana izany tamin’ny fomba ofisialy teo anatrehan’ny Minisitra Lalatiana Andriatongarivo.
Nanomboka ny volana desambra lasa teo, napetraka teo anivon’ny tranombokim-pirenena ny tahala ho an’ny firenena samihafa. Toerana izay ahitana ny mombamomba ireo firenena maro manerana izao tontolo izao, amin’ny alalan’ny boky, ary anisan’izany ny firenena Sinoa. Araka izany, ho fiarahamiasa amin’ny Minisiteran’ny Serasera sy ny Kolontsaina, izay mpiahy ny tranombokim-pirenena, dia nanolotra boky arivo mahery ny firenena Sinoa, tamin’ny alalan’ny masoivohony miasa sy ny monina eto amintsika, SEM Guo Xiaomei. Araka ny fanazavana, boky hahafantarana ny momban’i Chine ireto natolotra omaly ireto. Nanazava ny Minisitra Lalatiana Andriatongarivo, fa natao ho an’ireo te hahafantatra bebe kokoa an’I Chine ireo boky ireo, kanefa mety tsy manana fahafahana hihazo izany firenena izany. Tetsy ankilany koa anefa, nanolotra boky malagasy momban’i Madagasikara ity masoivoho ity, izay novidiany tany amin’ny tranomboky hafa teto amintsika ary izao natolotra ny tranombokim-pirenena izao. Marihina fa azon’ny rehetra vakiana ao an-toerana avokoa ireo.
Fametrahana sary anaty fampirantiana 82
Ankoatra ny fanomezana boky, natolotry ny masoivohon’I Chine omaly ihany koa ny Chevalet na fametrahana sary anaty fampirantiana miisa 82, izay ho ampiasain’ny Ofisy Nasionalin’ny Vakoka sy ny Kolontsaina (Ofnac). Nanamafy ny Minisitra fa natao indrindra hanampiana ireo artiste mpanao hosodoko ireo fitaovana ireo. Tsara marihana fa efa firenena maro izao no miara-miasa amin’ny tranombokim-pirenena amin’ny famatsiana boky ny toerana, isan’izany i Frantsa, Suisse, ny Afrikanina, ny Maorisianina, ny OIF, Sampan-draharahan’ny firenena mikambana maro, Amerika. Notsiandriany fa 70%-n’ireo firenena mpiara-miasa amin’i Madagasikara no efa miara-miasa ihany koa amin’ny tranombokim-pirenena. Nandritra ny fandraisam-pitenenany, nilaza ny masoivohon’i Chine fa efa niara-niasa tamina tetikasa ara-kolontsaina an-taonany maro i Madagasikara sy Chine, toy ny fifanankalozana ara-kolontsaina, ny vondrona ara-kolontsaina, famoronana sehatra ho an’ny Boky sinoa toy ny eo anivon’ny tranombokim-pirenena, ary ny fanarenana ny toerana manan-tantara maro teto Madagasikara, izay anisany tena nanamafy ny fiarahamiasa teo amin’ny firenena roa tonta. “Manantena izahay fa hanatevina ireo boky izay efa hananan’ny Minisitera ireto vao atolotray androany ireto. Ary koa, hantenaina fa hamaly ny filàna ara-bokin’ny Malagasy ity fanampiana ity, indrindra ireo tanora, izay tsy afa-miala amin’ny famakiana boky”, hoy ny fanazavany.




