PolitikaSongadim-baovao

ME HANITRA RAZAFIMANANTSOA: Mandainga sy mamahan-dalitra ny vahoaka

Tsy vitan’ny fanoherana bontolo sy fitsikerana fotsiny ny ataon’ny fanoherana eto amintsika ankehitriny fa miditra amin’ny fanelezana lainga sy famahanan-dalitra ny vahoaka, amin’ny resaka atao amin’ny Onjam-peo isan’andro. Lohalaharana amin’izany ry Me Hanitra sy ny ekipany, izay Solombavambahoaka sady heverina ho mpahay lalàna kanefa milaza zavatra tsy misy porofo amin’ny Onjampeo, ary manao fanasana atidoha ny vahoaka amin’ireo karazana lainga afafy manodidina ny zava-misy rehetra eto amin’ny Firenena.

Vaovao tsy marina, no sady tsy hananany porofo rahateo, ny filazan’i Me Hanitra Razafimanantsoa fa ny Fanjakana malagasy no nandefa ny Mpisolovava telo hiatrika ny fotoam-pitsarana ireo telo lahy nahatrarana ilay volamena 73,5Kg tatsy Afrika Atsimo. Ary koa, tsy mbola nisy mihitsy fanapahan-kevitry ny fitsarana Afrikanina Tatsimo izay manda ny fangatahan’ny Fanjakana malagasy. Ny fahafahana vonjimaika ireo telo lahy no nolavin’ny Fitsarana any an-toerana. Tsara marihana fa tsy maintsy tamin’ny alalan’ny fifampiraharahana ara-diplomasia no nirosoan’I Madagasikara satria tsy mbola manana fifanarahana ara-pitsarana I Madagasikara sy Afrika Atsimo. Hamafisina, noho izany, fa tsy misy idiran’ny Fanjakana malagasy mihitsy ny raharaham-pitsarana any Afrika Atsimo, ary tsy mitombina ny filazana fa ny Fanjakana no nandefa ireo mpisolovava any an-toerana. Na izany aza anefa, tsapa ho fanoherana bontolo ihany ny an’i Me Hanitra satria na atao aza hoe nandefa mpisolo vava tany ny Fanjakana malagasy, inona no olana raha mamoaka vola ny fanjakana hanao izay fomba rehetra hamerenana ny volamena eto Madagasikara?

Nanome baiko ny PAC ?

Nambaran’ny Me Hanitra Razafimanantsoa koa fa lasa raharaha manokan’ny eo anivon’ny Fiadidiana ny Repoblika ity raharaha volamena 73,5Kg ity. Tahaka ny te hilaza izany hoe ny Filohan’ny Repoblika mihitsy no tompon’ny entana? Fanambarana izay azo sokajiana ho lainga sy fanendrikendrehana avy hatrany, sady tsy hananany porofo rahateo. Mbola mahagaga ihany koa raha i Me Hanitra, izay heverina hoe mpisolovava, no sady mpahay lalàna, no mahasahy manendrikendrika sy milaza fa nanome baiko ny Fitsarana misahana ny ady amin’ny Kolikoly na ny PAC ny Fiadidiana ny Repoblika tamin’ny fanagadrana ireny olona lasa eny Tsiafahy ireny. Nambarany fa jiolahy rain-dahiny no alefa eny. Ny tsy ao an-tsainy dia Heloka be vava izany fanondranana volamena an-tsokosoko izany. Ary tsy mba amin’ny grama na hoe iray kilao sy roa kilao, fa 73,5Kg. Dikany, tsy mitombina ny filazana fa manome baiko ny PAC ny Fiadidiana ny Repoblika, satria ara-drariny avokoa ny fanapahana rehetra navoakan’ny Fitsarana.

Isany fanehoan-kevitra nahavariana ihany koa ny filazan-dRazafimanantsoa Hanitra fa reharehan’ny fianakaviana ireo mpanamory roa lahy naiditra am-ponja vonjimaika ireo, ka nahoana no nigadra tampoka teo? Toa te hilaza izany hoe reharehan’ny Fianakaviana izy ireo ka tsy tokony ho gadraina. Ny fanontaniana mipetraka dia hoe ilay maha- reharehan’ny fianakaviana azy ireo ve zany lasa antoka tsy azo anenjehana azy ireo? Rehefa manao heloka na reharehan’ny firenena iray manontolo aza dia tsy maintsy ampiharana ny lalàna daholo fa tsy misy fanavahana mihitsy.

Hiditra an-tsehatra ny Amerikanina?

Nolazain’ity Solombavambahoaka mpanohitra ity koa fa miditra amin’ny raharaha volamena 73,5Kg ny Amerikana ka tonga ao Afrika atsimo hanao fanadihadiana. Tsara marihana aloha fa tsy manana fahefana na dia kely aza ny firenena hafa hitsabaka amin’ny raharaham-pitsaran’ny firenena iray, ho fanajana ny fiandrianam-pirenena. Araka izany, ny raharahan’ireo “frères Gupta” izay enjehin’ny fitsarana afrikana tatsimo ho nanao kolikoly be tany an-toerana nandritra ny Fitondrana Jacob Zuma ary mialokaloka any Dubai amin’izao fotoana izao, no ifandraisan’ny Amerikana sy ny Afrikana tatsimo, fa tsy misy idiran’i Madagasikara mihitsy na dia kely monja aza.

Ireo “frères Gupta” ireo dia angatahan’ny Afrikana tatsimo fampodiana an-tanindrazana, hotsaraina any amin’izy ireo, kanefa, tsy mety manome azy ireo ny Emirats Arabes Unies noho ny mbola tsy fisian’ny fifanarahana eo amin’ny firenena roa tonta, mahakasika ny raharaham-pitsarana tahaka izany. Ny firenena amerikana anefa efa nanasazy ireto mpirahalahy ireto noho izay resaka kolikoly goavana niarahana tamin’ny mpitondra afrikana tatsimo tamin’ny andron’i Jacob Zuma. Noho izany, resaka fanodikondinam-bola sy fahazoana harena tsy ara-drariny no idiran’ny Amerikana, ary efa fiarahamiasa amin’ny Governemanta afrikana tatsimo taorian’ny fialan’i Jacob Zuma teo amin’ny fitondrana no antony hahatongavan’ny Amerikanina any an-toerana. Teren’i Me Hanitra fotsiny tsotra izao hifandray  amin’ilay resaka volamena taty Madagasikara tratra tao Afrika atsimo anefa ny fahatongavan’ilay amerikana atao hoe Cyril Sartor ao Afrika atsimo,  izay raharaha tsy misy hifandraisany mihitsy.

Mpifindra monina avy any Atsimo?

Ekena fa tany Demokratika i Madagasikara, ary malalaka ny fanehoan-kevitra eto amintsika, fa tsy azo ekena kosa ny fanalam-baraka olona imasom-bahoaka. Isany nambaran’I Me Hanitra tamin’ny fandaharana nataony fa Bacc-5 ny Minisitra misahana ny mponina ankehitriny ka sady tsy mahay na inona na inona, no tsy manana vahaolana maty paiky momba ny Kere any Atsimo. Mbola nolazainy aza fa miady amin’ny Minisitra avy any amin’iny tapany atsimon’ny Nosy iny mihitsy ity Minisitry ny Mponina ity noho ny fanapahan-kevitra raisiny. Lainga sy famahanan-dalitra ny vahoaka avokoa anefa izany rehetra izany satria tsy misy mambran’ny Governemanta miady momba ny any Atsimo mihitsy amin’izao fotoana, araka ny fanadihadiana. Marihana fa efa nandray fepetra ny fanjakana ary efa misy ny vahaolana notapahana fa hatao momba ny fifindra-monina avy any atsimo, araka ny tapaka nandritra ny Filan-kevitry ny Minisitra. Ny loharanom-baovao mari-pototra no nahalalahana fa tsy nisy minisitra niady sy nifanipaka hevitra izany mihitsy tao. Araka izany, mpandainga i Me Hanitra Razafimanantsoa sy ekipany, ary mampametra-panontaniana raha solombavambahoaka sady mpahay lalàna ny mamoron-dainga tahaka izao. Eo anatrehan’izany, miandry ny fandraisana fepetra avy amin’ny Antenimieram-pirenena mikasika ny fanelezana lainga sy vaovao tsy marina ataon’ireo solombavambahoaka mpanohitra ireo izay manao fiantsiana sy mandainga tsy mitsahatra.

Ny Fanoratana.

Fermer