Fanatanjahan-tena
Fiadiana ho tompondakan’i N1A : Vonona hibata ny amboara ny GNBC
Hotontosaina manomboka rahampitso asabotsy ny fifaninanam-pirenena N1A. Nilaza ny Talen'ny fampitaovana ny Zandarimaria sady mpiandraikitra ny ekipa GNBC, ny Jly Kassimo Arona fa vonona ary matoky ny hibata ny amboara ny GNBC, izay ekipa sangany aty Afrika…

Ho fanohanana ny ekipa nasionaly Zandarimariam-pirenena GNBC na ny “Gendarmerie Nationale Basket-ball Club” izay hiatrika ny lalao nasionaly N1A taona 2020, dia notontosaina omaly 15 janoary, tao amin’ny Kianjan’ny Toby Jeneraly Ramarolahy » etsy Betongolo ny fampahafantarana amin’ny fomba ofisialy ny fanamiana manokana famantarana ny ekipan’ny GNBC. Nitarika ny fotoana ny Jly Kassimo Arona, Talen’ny fampitaovana ny Zandarimaria sady mpiandraikitra ny ekipa GNBC, notronin’ireo mpitantana eo anivon’ny GNBC. Nanambara izy fa vonona tanteraka ny ekipa GNBC hiatrika io lalao fifaninanana hiadiana ny tompondakan’i Madagasikara taona 2020 io. “Vonona ary matoky izahay fa hibata ny fandresena ny GNBC satria efa ela dia ela ny ekipan’ny Zandarimaria no nanomana azy ity na teo aza ny fihibohana.Ny GNBC dia ekipa sangany aty Afrika satria efa niatrika fifaninanana iraisam-pirenena teo anivon’ny sehatra afrikanina, ny 2019 lasa teo. Aorian’ity fivahan’ny aretina coronavirus, dia ho re laza eran’izao tontolo izao ny GNBC”, hoy hatrany ny Jly Kassimo Arona. Miantso ny rehetra amin’ny fanohanana sy ny fandraisana anjara amin’ny fividianana ireo fanamiana sy ny fanotronana ireo ekipa izay hiatrika ny fifaninanana manomboka anio, ao amin’ny Lapan’ny kolotsaina sy Fanatanjahantena Mahamasina. Hifandona amin’ny GNBC ry zareo avy any 2BC Analanjirofo, amin’ny 11 ora misandratrandro.




