Trangam-piaraha-monina
Lova nangalarina : Miandrandra fahamarinana eny amin’ny Fitsarana ny fianakaviana
Manoloana ny disadisa eo anivon’ny fianakaviana iray momba ny tsy fanajana ny « feuille de route » tamina fifandovana, dia nampiakatra ny raharaha eny amin’ny Fitsarana ireo mpandova lasibatra. Ilay Ramatoa nivadika tamin’ny fifanarahana anefa, tokony hohadihadiana momba ity raharaha ity, tafatsoaka any ivelany, amin’izao fotoana…

Niteraka disadisa teo amin’ny fianakaviana iray ny tsy fanomezana lanja ny fifanarahana ara-dalàna vita sonia momba ny tany, trano ary orinasa, izay lova iray etsy Anosibe. Nisy, araka izany, fifanaovan-tsonia fifanarahana an-trano « accord sous seing privée » antsoina hoe tondrozotra nataon’olona telo, izay tokony handova ny trano iray etsy Anosibe ka izany dia natao zara mitovy. Nohamarinin’ny vavolombelona izay afaka nijoro ho mpampihavana tamin’izany fotoana, io fifanarahana io. Ilay Ramatoa Mezbine Onaly Laldjee dia nanana porofo indroa mifanesy sady nohamarinin’ny vadintany fa ny andaniny sy ny ankilany dia samy nanao io fifanarahana io koa. Noho ny fiakaran’ny disadisa teo anatrehan’ny fianakaviana, tapa-kevitra ireo tokony handova hitondra ny raharaha eo anivon’ny Fitsarana ambaratonga voalohany Antananarivo, ny 4 aogositra 2015, mba hanamafisana ara-pitsarana sy hanatanterahana ilay tondrozotra. Satria ny fitsarana rehefa namoaka didy mikasika ilay “homologation” dia nilaza fa azo raisina ny fangatahana ny fanamafisana ara-pitsarana io fangatahana, izay natao io ka amin’izany fotoana izany dia hozaraina amin’ny ara-dalàna, araka ny lalàna mifehy ny fandovana ho an’ny mpandova rehetra ilay lova. Satria io didim-pitsarana io dia noheverina tsy natrehana fa voasonia kosa, ny taratasim-piantsoana iatrehana ny raharaham-pitsarana. Ny olana, ilay Ramatoa Mezbine Onaly Laldjee dia nivadika tamin’ny fifanarahana, izay zaobavy, ka very tanteraka ireo mpandova sasany. Efa nisy fitoriana nataon’ny fianakaviana, ary efa nandeha teny amin’ny Polisy ekonomika ny raharaha, saingy tafaporitsaka lasa any Paris ilay Ramatoa voatory. Andrasana, araka izany, ny tohin’ity raharaha ity.




