PolitikaSongadim-baovao

LOHOLONA 12 NOFIDIANA SY 6 NOTENDRENA: Hivory voalohany anio ireo Loholona 18

Araka ny didim-panjakana laharana faha 2021-060 navoakan’ny teo anivon’ny Fiadidiana ny Repoblika, omaly, voatendry avokoa ireo Loholona enina avy amin’ny Filoham-pirenena natao hanampy ireo Loholona 12 tafavoaka tamin’ny Fifidianana Loholon’i Madagasikara farany teo. Araka ny tetiandro efa napetraky ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana, anio no miroso amin’ny fivoriana voalohany ireo Loholona vaovao miisa 18 ireo, hifidianana izay ho Filohan’ny Antenimierandoholona sy handinihana ny Fitsipika Anatin’ity Andrimpanjakana ity.

Araka ny andininy faha-81 ao amin’ny Lalàmpanorenana sy ny andininy fahafito vaovaon’ny  lalàna fehizoro nasiam-panovana laharana faha-2015-007, notendren’ny  Filohan’ny Repoblika ho isan’ny mpikambana eo anivon’ny Antenimierandoholona i Imbiki Herilaza, izay mpitsara sady sekretera Jeneralin’ny Minisiteran’ny Fitsarana amin’izao fotoana. Voatendry omaly koa Randriamanantenasoa Landy Mbolatiana sy Andrianandrasana Hajaniaina Tahina, izay mbola  samy mpitsara ihany koa. Ankoatra ireo, ny minisitry ny Fanatanjahantena tamin’ny Tetezamita, Ndremanjary Jean André, dia anisan’ireo notendren’ny Filoha handrafitra ity Andrimpanjakana ity. Manampy ireo koa I Tsiebo Mahaleo Richard Victor, ary Ramanambitana Richard Barjohn, izay Talen’ny Fifandraisana amin’ny Andrimpanjakana eo anivon’ny Kaominina Antananarivo Renivohitra, sady Tale jeneralin’ny sekoly ambony tsy miankina iray ihany koa. Araka izany, ny 25 Janoary izao no daty voatendry hanaovana ny fifamindram-pahefana eo amin’ny Birao maharitra vaovao sy ny Birao maharitra teo aloha. Ho tanterahana amin’ity herinandro ity kosa ny fifidianana ireo birao maharitra vaovao, araka ny fanadihadiana. Raha ny tetiandro napetraky ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana kosa, anio no hivory voalohany ireto senatera 18 vaovao ireto. Fotoana izay hifidianana ny ho Filohan’ny Antenimierandoholona, arahan’ny fandaniana ny fitsipika anatiny izany. Aorian’izay dia handalo eny anivon’ny HCC ny fitsipika anatiny. Aorian’izany rehetra izany no hifidianana ireo mpikambana eo anivon’ny Birao Maharitra.

Iza no ho Filohan’ny Antenimierandoholona?

Araka izany, roa ihany no vehivavy mpikambana amin’ity Andrimpanjakana ity, araka ny voka-pifidianana navoakan’ny HCC ny 07 Janoary teo, sy ny fanendrena nataon’ny Filoham-pirenena, omaly. Mbola vaovao mitana ny sain’ny maro kosa anefa, etsy ankilany, ny mahakasika izay ho Filohan’ny Antenimierandoholona, handimby toerana an’ingahy Rivo Rakotovao. Andrasana anio, noho izany, ny valin’izay fanontaniana izay. Na izany aza anefa, mitana anjara toerana lehibe eto amin’ny firenena ny Filohan’ity Andrimpanjakana ity, ka ilàna fanapahan-kevitra matotra sy voahevitra momba ny olona apetraka eo amin’izany toerana izany. Raha tsiahivina, araka ny voalaza ao amin’ny andininy faha-46, andalana faharoa, ao amin’ny Lalàmpanorenana malagasy,  ny Filohan’ny Repoblika amperin’asa izay milatsaka hofidina amin’ny fifidianana ho Filohan’ny Repoblika dia mametra-pialàna amin’ny toerany enimpolo andro alohan’ny hanatanterahana ny fifidianana Filohan’ny Repoblika. Amin’io anton-javatra io, ny Filohan’ny Antenimierandoholona no misahana ny anjara raharahan’ny Filohan’ny Repoblika andavanandro mandra-panolorana ny fahefana amin’ny Filoha vaovao. Dikany, raha mbola tsy misy fiovan’ny Lalàmpanorenantsika, ka hirotsaka ho fidiana manaraka indray ny Filoha am-perinasa ankehitriny, dia anisan’ireo hisolo toerana ny Filohan’ny Repoblika mandritra ny fotoana voafetra izay Filohan’ny Antenimierandoholona hipetraka eo.

Fermer