SamihafaSongadim-baovaoSosialy

ADY AMIN’NY KERE ANY ATSIMO: Vola mitentina 75,9 tapitrisa dolara ilaina maika

Hanome tanana ny Fanjakana Malagasy amin’ny Ady amin’ny Kere ny Firenena Mikambana izay nanangana ny « Appel Eclair », hanaovana antso amin’ireo mpiara-miombona antoka avy any ivelany. Araka ny fampahafantarana tetsy Anosy, omaly, vola mitentina 75,9 tapitrisa dolara no ilaina maika ankehitriny hanampiana ireo ianjadian’ny Kere any Atsimo.

Noho ny haintany sy ny tsy fahampian’ny rotsak’orana  dia vao maika hihamafy ny Kere any Atsimo ao anatin’ny roa volana manaraka, araka ny tombatomban’ny mpikambana ao amin’ny Governemanta sy ny Fikambanana Iraisam-pirenena. Kaominina 26 no tena mitondra faisana amin’ny haintany sy ny Kere any Atsimo ankehitriny, raha ny tatitra. Maro an’isa amin’ireo ny ao amin’ny Distrikan’Amboasary sy Bekily. Araka ny antontanisa farany, tafiakatra 1,15 Tapitrisa no isan’ireo olona tratran’ny tsifanjariantsakafo any an-toerana. Ankehitriny, efa manana tetika stratejika voarakitra anatina antontan-kevitra hanavotana ireo mpiray tanindrazana, ny Fanjakana malagasy, miaraka amin’ireo mpiara-miombon’antoka. Vola mitentina 75, 9 tapitrisa dolara no ilaina amin’izany, hanampiana ireo efa ampiasaina amin’izao fotoana. Mbola tsy an-tanana anefa io vola io, raha ny fanazavana, ka antony nanaovana ny “Appel Eclair », izay eo ambany fitarihin’ny Firenena mikambana, miara-miasa amin’ny Fanjakana malagasy.

Hanavotra olona an-tapitrisany

Tetsy ankilany, nidera ny ezaka vitan’ny Fanjakana malagasy tamin’ny fiatrehana ny Kere any Atsimo ny avy amin’ny Firenena mikambana. Nambaran’ny mpandrindran’ny Firenena Mikambana eto Madagasikara, Issa Sanogo,   fa vonona hanohana ny ezaka vitan’ny Governemanta malagasy izy ireo. Teo anatrehan’izany, nanambara ny Minisitry ny Raharaham-bahiny, fa loharanom-bolany manokana no nampiasain’ny Fanjakana tamin’ny voalohany. Ankehitriny anefa hita fa mitombo ny olona iharan’ny tsy fanjariantsakafo any Atsimo, dia nisy ny fifampiresahana tamin’ireo mpiara-miombona antoka. Na izany aza, ho an’ny olan’ny kere atsimo manokana, efa maty paika ny vahaolana ara-teknika. Noho izany, afa-po tamin’ny valintenin’ny Governemanta ireo mpiara-miombona antoka nanatrika ny fotoana, omaly, tetsy Anosy. Isany nandahatra ireo vahaolana ireo ny Minisitra vitsivitsy tonga nanatrika ny fotoana, ahitana ny Minisitry ny Rano, ny Minisitry ny Fambolena sy ny Fiompiana, ny Minisitry ny Mponina, ary ny Minisitry ny Raharaham-bahiny. Tsara marihana fa tsy ireo taraiky any amin’ny faritra Atsimo ihany no tsinjovina amin’ity tetikasa fanampiana manaraka ity fa ho voaray an-tanana ihany koa ireo mpifindra monina. Raha ny nambaran’ny Firenena mikambana rahateo, ity “Appel Éclair” ity dia tokony hahavotra ain-jaza latsaky dimy taona miisa 300 000. Reny bevoka sy mampinono miisa 67 750  kosa no ho afaka amin’ny tsy fanjarian-tsakafo. Vahoaka 420 500 no hanjifa rano fitsotro madio. Ary olona miisa 1,11 tapitrisa no hahazo fanohanana ara-tsakafo.

Fermer