Songadim-baovao

Distrikan’i Mandritsara : Tambajotran-jiolahy mitam-piadiana rava taorian’ny « Opération »

Tambajotran-jiolahy mitam-piadiana nampihorohoro tamin’ny faritra maro ao anatin’ny distrikan’i Mandritsara no rava taorian’ny fanaovana « opération », ny faran’ny taona 2020 lasa teo, izay naharitra 20 andro. Basy mahery vaika miaraka amin’ny bala miisa 73 no isan’ny sarona, izay fampiasan’ireo jiolahy manafika mandroba ny fananam-bahoaka…

Isan’ireo dahalo tratra nanaovan’ny zandary hetsika manokana.

Ny faran’ny taona 2020 iny, nody ventiny ny rano nantsakaina tao amin’ny distrikan’i Mandritsara iny, satria nahitam-bokany mivaingana ny « Opération » izay natao tamin’ireo sisin-tany mifanefitra ny distrikan’i Mandritsara sy Befandriana Avaratra amin’Andilamena, Mananara Avaratra sy Maroantsetra ary Andapa nandritra ny 20 andro. Noho ny fiaraha-miasa amin’ireo olona tsara sitrapo, izay mpanome loharanom-baovao ara-potoana no nahitana ny vokatra. Isan’ireo tambajotran-jiolahy rava tamin’izany ny mpivarotra sy mpampiasa fitaovam-piadiana maherivaika, izay nahatrarana basy « Kalachnikov » iray miaraka amin’ny bala miisa telo ambin’ny fitopolo (73) tany Antanambaobe, kaominina Matsondakana distrikan’i Befandriana Avaratra. Ankoatra izay, jiolahy sy dahalo mpandrava ary mpangalatr’omby, izay nahatrarana basy poleta vitagasy iray, miaraka amin’ny bala miisa 13 sy omby halatra tao Ambodimazava, kaominina Antsiatsiaka ary Antsibabe Afovoany, anatin’ny, distrikan’i Mandritsara.  Tao koa ireo dahalo mpangalatr’omby miara-miasa amin’ny dahalo ambony latabatra, izay nampiasa taratasin’omby hosoka miaraka amin’ny fitomboka hosoka sady mangalatra sonia tany amin’ny faritr’Andohajango, distrikan’i Mandritsara. Olon-dratsy mpampiasa sy mpizara odigasy entina manao asan-jiolahy tany amin’ny faritr’i Loharano, kaominina Andratamarina, distrikan’i Mandritsara ko ano rava.

Ampahany amin’ireo basy mahery vaika tratra teny amin’ireo olon-dratsy.

Eo koa ireo mpivarotra sy mpamatsy zava-mahadomelina  tany amin’ny kominina Matsondakana, distrikan’i Befandriana Avaratra. Ampolony mahery, araka izany, ireo sarona nandritra ny fanaovana hetsika manokana ity. Marihina fa efa vita avokoa ny famotorana mahakasika azy ireo ka ny sasany efa voatana vonjimaika any am-ponja, raha ny sasany kosa, vao atolotra ny Fampanoavana, amin’izao fotoana izao. Manome tokony hatrany ny Zandarimaria ao amin’ny Vondron-tobim-paritra Mandritsara, fa vonona hiara-miasa amin’ireo olona maro anisa, izay tsara sitrapo ka manome loharanom-baovao, enti-miady amin’ny olon-dratsy, izay vitsy an’isa ka atao mihorohoro ireo jiolahy, araka ny hafatry  ny Sekreteram-panjakana miadidy ny Zandarimaria, ny Jly Ravalomanana Richard.

Dahalo mpampihorohoro lavo…

Miteraka tsy fandriampahalemana ny fiparitahan’itony basy itony.

Ny alin’ny 15 janoary lasa teo, tokony tamin’ny 7 ora hariva dia nisy olona tsara sitrapo nampandre ny zandary ao Andalatanosy, ao anatin’ny distrikan’ Ambovombe, fa misy olona roa lahy, izay fanta-daza mpanao asa ratsy sy mpampihorohoro ary mpivarotra basy mitondra môtô, mikasa hanao asa ratsy. Rehefa natao ny vela-pandrika dia voaporofo tokoa fa olona tsy mazava ary hitan’ireto zandary ny fitaovam-piadiana  basy ka niroso tamin’ny fisavana izy ireo. Vao nanao izany ireto zandary dia nandositra avy hatrany ireto jiolahy ireto ary nitifitra koa ireto farany ka nifanenjehana. Noho ny tifitra nataon’ireto olon-dratsy ireto, tsy maintsy niaro tena namaly koa ny zandary izay nanatanteraka ny asa. Vokany, lavo avokoa ireto jiolahy roa raindahiny, izay tsy mbola fantatra hatreto ny tena fiaviany. Natao ny fisavana ireto razana ka nahitana basy poleta telo ary basilava iray. Taorian’ny fizahana ny razana, dia nogiazana ilay môtô sy ireo basy efatra tratra niaraka tamin’izy ireo. Misokatra, araka izany, ny fanadihadiana.

Fermer