Songadim-baovao

Milaza ho mahatafiditra ho zandary : Nidoboka am-ponja ilay mpisoloky ho jeneraly avy amin’ny Zandarimaria

Tsy niandry ela fa voasambotry ny Sampandraharaha miady amin’ny fandikan-dalàna an’habaka sy ny Sampana miady amin’ny heloka bevava ao Antsiranana, ny lehilahy iray mpisoloky ho mahatafiditra ho mpianatra zandary. Tsy vitan’izay fa mbola nisandoka ny sarin’ny Jeneraly sekreteram-panjakana miadidy ny Zandarimaria taloha sy ny ankehitriny nampiasainy handresen-dahatra tao anatin’ny kaontiny Facebook…

Ireo taratasy fampiantsoana hosoka nataon’ilay mpisandoka.

Voasambotra araka ny fiaraha-mientan’ireo Sampandraharaha miady amin’ny fandikan-dalàna an’habaka  sy ny Sampana miady amin’ny heloka bevava  ao Antsiranana ary ny Vondron-tobim-pileovana Amoron’i Mania, tao Antsiranana, ny herin’ny androany lasa teo, ny tovolahy iray 31 taona antsoina hoe Nafeno H. mampiasa ny kaonty Facebook « Xavier Rakotoson » noho ny fisolokiana sy fisandohana nataony. Nampiasa ny sarina Jeneraly, sekreteram-panjakana miadidy ny Zandariamaria tany aloha ilay kaonty nokirakirainy. Taty aoriana, nosoloiny sarina manamboninahitra jeneraly hafa indray io. Ny tena zava-doza aza,  ny sarin’ny Jeneraly, Sekreteram-panjakana miadidy ny Zandarimaria ankehitriny no nampiasainy farany, izao izy voasambotra izao. Mitonona ho Jeneraly Rakotoson Xavier ao anivon’ny  Zandarimaria izy. Mampiresaka ireo tanora ka milaza fa afaka mampiditra azy ireo ho mpianatra zandary ary maka vola ho takalon’izany. Voalazan’ity farany tamin’izany fa tsy misy mpianatra intsony ao amin’ny Sekoly zandarimaria Ambositra ka ny Zandarimariam-pirenena dia mitady mpianatra ho zandary haingana. Fandresen-dahatra apetrany ny filazana ho tsy mila mandalo fifaninanana fa mandoa vola dia tafiditra. Nisy mihitsy aza moa tanora dimy mirahalahy efa tonga tany Ambositra rehefa nomeny fiantsoana hosoka ary efa nanaovana fanadihadiana.

Mila fanadihadiana tsara…

Ilay lehilahy mpisoloky nilaza ho mahatafiditra ho mpianatra zandary.

Vesatra maro no nanenjehana ity mpisoloky ho jeneraly ity, ka eo ny resaka fisolokiana, fisandohana andraikitra sy fakàna vola tsy ara-drariny ary fampiasana sy fitazomana fanamiana miaramila no iampangana azy. Natolotra ny fampanoavana tao Antsiranana afakomaly izy, taorian’ny fanadihadiana ary izao naiditra am-ponja izao. Manantitrantitra ny eo anivon’ny Zandarimariam-pirenena fa tsy misy olona na iza na iza, na olona manana toerana ambony, na olon-tsotra, na manamboninahitra na manamboninahitra lefitra, afaka milaza ho afa-mampiditra mpifaninana ho lasa mpianatra ho zandary. Hentitra ny filazana fa madio sy mangarahara tanteraka ny fifaninanana hidirana ho zandary.

Tsara homarihina, araka izany, fa ny  eo anivon’ny Zandarimariam-pirenena dia manentana ny mpiara-belona, mba tsy ho voasarika amin’izany, fampidirana ho zandary amin’ny alalan’ny kolikoly izany, fa hanadihady tsara ary hanontany ny Tobim-paritry ny zandarimaria akaiky azy, na hampandre haingana ny tomponandraikitra (0341400629) na hiantso « Service de suivi et traitement des doléances » zandarimaria (0341200525) raha toa ka mandre na mahatsikaritra toe-javatra fisolokiana na fisandohana na endrika kolikoly toa izany. Hentitra ny filazana fa tsy hijerena tavan’olona ny fampiharan-dalàna, indrindra ny olona manimba ny hasin’ny Zandarimariam-pirenena. Anaovana antso avy hatrany ny olom-pirenena rehetra,  mba tsy ho mora voafitaka. Nohamafisina hatrany fa ny fidirana ho mpianatra ho zandary dia tsy maintsy mandalo fifaninanana. Nentanina manokana ny rehetra, mba hahasahy hitoroka izay mbola manao, indrindra efa tsy ho ela ny fifaninanana hidirana ho mpianatra ho zandary, andiany faha-76.

Fermer