
PolitikaSamihafaSongadim-baovaoSosialy
VAOVAON’NY COVID-19 : Matoky ny haino aman-jerim-panjakana ny vahoaka
Ambony dia ambony ny tahan’ny tsy fatokisan’ny olona ny vaovao avoakan’ny tambazotra sosialy, raha ny valin’ny fitsapan-kevitra nataon’ny ATW Consultants mahakasika valanaretina Covid-19 ho an’ny taona 2020 no jerena. Araka izany, saika nitoky sy niandry ny vaovao ofisialy avy amin’ny haino aman-jerim-panjakana avokoa, noho izany, ny olom-pirenena.
Niniana naverina ombieny ombieny nandritra ireny fotoan’ny Hamehana ara-pahasalamana ireny fa tsy matoky izay vaovao navoakan’ny haino aman-jerim-panjakana ny olom-pirenena teto Madagasikara. Mahakasika izany indrindra anefa, namoaka ny valin’ny fitsapan-kevitra (sondage) nataony mikasika ny valanaretina Covid-19 tamin’ny 2020, ny ATW consultant, izay novatsian’ny Unicef vola. Nisongadina tao anatin’izany fa natokisan’ny maro an’isa ny vaovao nivoaka tamin’ny TVM sy RNM. Izany hoe, tsy arakaraka ny fanelezana tsaho amin’ny filazana fa namboamboarina ny tarehimarika navoaka tamin’ny TVM sy RNM. Raha ny vokatry ny fanadihadiana nataon’ny ATW Consultants anefa no jerena, 68%-n’ny olona dia natoky ny vaovao navoakan’ny radiom-pirenena ary 72% no natoky ny televiziona malagasy. Diso, araka izany, ny filazana fa leo mijery ny TVM sy ny RNM ny olona. Tsy vitan’ny nijery fotsiny aza ny olona fa nandray sy natoky izay voalaza rehetra tao ihany koa. Ny 76%-n’ny olona nandray vaovao avy tamin’ny TVM ary ny 54% avy tamin’ny RNM, araka ny antontanisa hatrany.
Diso paikady
Tetsy ankilany, tafiakatra 73% ny tahan’ny tsy fatokisan’ny olona (capital fiabilité négatif) ny vaovao amin’ny tambajotra sosialy noho ny lainga sy ny tsaho miparitaka. Raha tsiahivina anefa dia io no fitaovana nampiasain’ny mpanohitra namotehana ny paikady rehetra nataon’ny Fanjakana. Araka izany, voaporofo fa tsy nandaitra ny fanelezana tsaho teto satria tsy natokisan’ny olona mihitsy ireo vaovao diso naely. Voaporofo nazava tao anatin’ny « sondage » ihany koa fa ny vaovao nivoaka tamin’ny haino aman-jerim-panjakana, ny vaovao navoakan’ny CCO, ary ny fijoroana vavolombelona nataon’olona tena izy fa tsy fakofako na foroporonina ihany, no loharanom-baovao telo voalohany tena natokisan’ny olona. Araka izany, anisany tsy navesa-danja tamin’ny olona ny vaovao tsy marina navoakan’ny kaonty fako maro samihafa tao amin’ny Fesiboky. Mazava, araka izany, fa tsy nandaitra mihitsy ny tetikadin’ny mpanohitra hanelezana tsaho tao amin’io tambazotra sosialy io. Raha tsiahivina dia saika ireo fanapahan-kevitra rehetra noraisin’ny Fanjakana nandritra ireny Hamehana ara-pahasalamana ireny dia nitondran’ny avy amin’ny fanoherana fanakianana avokoa. Ary nezahana navilana sy nodisoana avokoa izay vaovao ofisialy navoakan’ny Fanjakana, tamin’ny alalan’ny TVM sy ny RNM, hatramin’ireo tarehimarika. Dikany, tokony hanova paikady indray ny mpanohitra raha mbola te hanohy ny asa fanelezana tsaho ataony, satria efa tsy mahomby intsony ny tambazotra sosialy.




