Toekarena

Antananarivo sy ny manodidina : Nahazo fitaovana famatsian-drano manara-penitra ny Jirama

Maro ny olona mitaraina amin’ny filazana fa maloto ny ranon’ny Jirama eto an-drenivohira sy ny manodidina. Manolona izany indrindra, tonga ny fitaovana manara-penitra entina manadio ny rano fitsotro ho an’ny olona. Nilaza ny Jirama fa tanjona ny hamaha ny olana amin’ny famatsiana rano madio an’Antananarivo mialohan’ny faran’ny taona izao

Jirama
: Ireo fitaovaona vaovao napetraka eny Ankadindratombo sy Alasora

Ho fanatsarana ny kalitaon’ny ranon’ny Jirama jifain’ny mpanjifa eto Antananarivo sy ny manodidina, nahazo fitaovana manara-penitra amin’ny fikarakarana sy ny fandiovana rano ny orinasa. Miisa 10 ireo fitaovana lehibe fanadiovana rano izay manaraka ny fomba maoderina, miampy «décanteurs » miisa efatra. Voalaza fa avy any Israely ireo fitaovana ireo, izay mahalany rano 24.000 m3 isan’andro ny fitaovana lehibe iray amin’ny 10. Napetraka teny Ankadindratombo sy Alasora ny ny fitaovana lehibe voalohany ny alahady teo ary hiasa avy hatrany amin’ny famatsiana rano madio amin’iny faritra iny. Nilaza ny Jirama fa tanjona ny hamaha ny olana amin’ny famatsiana rano madio an’Antananarivo mialohan’ny faran’ny taona izao. Maro ny fitarainana voarain’ny Jirama momba ny fahalotoan’ny rano teto an-drenivohitra sy ny manodidina ka anisan’ny famahana izany ao anatin’ny fotoana fohy izao famantsiana fitaoavana vaovao izao.

Mikojakoja ny any ivelan’Antananarivo

Miasa andro aman’alina amin’ny fanatsarana ny famantsiana rano any amin’ny faritra ivelan’Antananarivo ihany koa ny Jirama, ka anisan’izany ny eny Sabotsy Namehana. Mba hahafahana manatsara ny famatsian-drano eny Sabotsy Namehana sy ny manodidina azy dia nanao asa fikojakojana ny « station de captage » ao an-toerana ny Jirama, ny 11 aogositra teo.

Toy izany koa ny fikojakojana ireo fitaovana efa teo. Mba hahafahana manatsara ny famatsian-drano eto Antananarivo sy ny manodidina az, niroso tamin’ny fikojakojana fitaovana ao amin’ny tobim-pamokaran-dranon’i Mandroseza II ny Jirama, ny 10 aogositra lasa teo.

Tobim-pamokaran-drano vaovao any Manjakandriana

Efa vita ny 90% n’ny asa vaventin’ilay tobim-pamokaran-drano vaovao any Manjakandriana. Izany hoe tsy ny eto Antananarivo ihany no vatsiana rano fisotro madio fa amin’ny faritra maro. Toy izany ny tetikasa izay iarahan’ny Jirama sy ny WaterAid manatanteraka.
Mponina manodidina ny 15 000 amin’ny Fokontany valo: Ambohimiadana, Ampiadianombalahy, Anosimanarivo, Fiadanana, Manankasikely, Manjakandriana, Marinjara ary Volavy no hisitraka ny tetikasa. Hamokatra rano 1.200m3 isan’andro ity tobim-pamokaran-drano ity. Maro ireo foto-drafitrasa aoriana miaraka amin’izany toy ny toby fisintonan-drano miisa roa, toby fanadiovan-drano 50m3 isan’ora, siniben-drano 400m3, tambazotra mpitsinjara rano 12,5 km ary fampidiran-drano ho an’ny tokan-trano 205.
Raha tsy misy ny fiovana dia ny faran’ny volana septambra izao no hanomboka hiasa ity tobim-pamokaran-drano vaovao ao Manjakandriana ity.

Fermer