PolitikaSongadim-baovao

FIKONONKONONANA GREVY ENY AMIN’NY ONIVERSITE: Misy ambadika politika avo lenta

Nanambana itokona ireo mpianatra tao amin’ny Fakiolten’ny Medecine, omaly alakamisy 21 Janoary 2021, araka ny taratasy nalefany tamin’ny Minisitry ny Fampianarana Ambony sy ny Fikarohana ara-tsiansa. Antony maro no voalazan’izy ireo fa tsy maintsy hirosoana amin’izany. Misy resa-bola sy ambadika politika goavana anefa izany fikasana izany, araka ny loharanom-baovao. Na izany aza anefa, efa nitondra ny fanazavana rehetra mahakasika ny fangatahan’izy ireo ny teo anivon’ny Minisitera voakasika.

Fitakiana vatsim-pianarana dimy volana, miaraka tamin’ny fampitaovana, ho an’ny taom-pianarana 2019-2020, ny tokony hijerena ny saram-pisoratana anarana na ny tokony hikitihana ny vatsim-pianarana hifanaraka amin’ny fepetra ara-tsosialy sy ara-toekarena iainan’ny mpianatra, ary fanatsarana ny fepetra hahafaha-mianatra amin’ny ankapobeny toy ny rano, ny toeram-pidiovana, ny efitrano fianarana sy ny sisa, ireo no votoatin’ny fitakiana nalefa an-taratasy nataon’ny fikambanan’ny mpianatra ho mpitsabo teo anivon’ny Minisiteran’ny Fampianarana Ambony sy ny Fikarohana ara-tsiansa (Mesupres), ny talata 19 Janoary 2021 lasa teo. Nanambana ny hitokona avy hatrany ireo mpianatra, ny datin’ny Alakamisy 21 Janoary, omaly, ho fanamafisana io fitakiana izay natao an-taratasy io. Kanefa, na io fanomezana fampitandremana hitokona na “ultimatum” ampotomoty io aza dia efa mampieritreritra sahady amin’ny mety ho fisina ambadika fanakorontanana.

Ny vaovao marim-pototra no nahalalana fa anisany ao ambadiky ny fikononkononana fanakorontanana ny tomponandraikitra eo anivon’ny fiadidiana ny oniversite. Fiketrehana vola be amina miliara maro amin’ny resaka vatsim-pianaran’ny mpianatra no antony, araka ny loharanom-baovao. Abontsina marobe, araka izay azo atao, ny isan’ny mpianatra lazaina fa misoratra anarana tokony hahazo vatsim-pianarana. Raha tokony ho mpianatra 30.000 isa, noho izany ohatra, no tena isan’ny mpianatra tokony hahazo ny vatsim-pianarana, dia ampiakarina hatrany amin’ny 45.000 isa. Aorian’izay, mandeha avy hatrany ny fandrahonana ny Fanjakana amin’ny fanambanana fitokonana raha toa ka tsy aloa io vatsim-pianarana io. Vola amina tapitrisany maro anefa very sy voahodinkodina ao anatin’izany satria ny vatsim-pianaran’ny mpianatra iray eny Ankatso dia eo anelanelan’ny 24 000 Ariary ka hatramin’ny 40 000 Ariary. Tsy mahagaga, noho izany, raha misy manakarama vola olona ivelan’ny mpianatra medecine mihitsy manao mpikaraman’ady mba hahafahana manao ny teti-dratsy.

Nitarazoka ny fandefasana ny lisitra

Nandamoka anefa ny tetika fanankorontana saika hapoakan’ireo mpianatra mpikaraman’ady teny amin’ny Médecine Ankatso tamin’iny omaly iny. Araka ny fantatra dia nanantena korontana be mihitsy ny mpanakarama omaly, araka ny taratasy efa nalefa teny amin’ny Minisitera tomponandraikitra, ary efa niparitaka ny vola tany anatin’ny cité tany efa andro vitsivitsy izay. Ankehitriny, efa mazava amin’ireo tena mpianatry ny Fakiolten’ny Medecine ny anton’ny nampitarazoka ny fandefasana ny lisitr’ireo mpianatra misitraka ny vatsim-pianarana teny anivon’ny Minisitera tomponandraikitra, izay mba tsy hahafahan’ity farany manao fanadihadiana lalina mahakasika ny lisitra. Ary avy hatrany dia fampitandremana fitokonana no nampanarahana izany.

Tetsy ankilany anefa, nazavain’ny Minisiteran’ny Fampianarana Ambony sy ny Fikarohana ara-tsiansa fa tena andraikitr’izy ireo tokoa ny fandrindrana ny resaka vatsim-pianarana. Na izany aza anefa, ny famoahana ny vola mahakasika ny vatsim-pianaran’ny mpianatra dia mitaky taratasy fanamarinana mba hahafahana manao ny fanarahamaso, araka ny fanazavana. Nanamafy ny Sekretera Jeneralin’ny Mesupres fa ny 15 Janoary 2021 teo no tonga teo anivon’ny Minisitera ny lisitr’ireo tokony hahazo ny vatsim-pianarana, avy tamin’ny talen’ny fitantanam-bola eo anivon’ny fiadidiana ny oniversite. Mahakasika ny saram-pisoratana anarana kosa indray, nilaza ny Minisitera fa mahaleo tena ara-pedagojika, ara-tsiantifika, ara-pitantanana ary ara-bola tanteraka ny Oniversite, amin’ny alalan’ny Filankevi-pitantanana, ka afaka manapaka ny mahakasika izany.

Nilamina teny amin’ny Oniversite

Araka ny tatitra avy tamin’ny vondron-tobim-pileovan’Analamanga eo anivon’ny Zandarimaria izay nanaramaso teny amin’ny faritry ny Oniversite, nilamina tamin’ny ankapobeny ny zava-nisy teny an-toerana na dia nanery ireo mpianatra taona voalohany izay mbola nianatra nivoaka ny efitra fianarana aza ireo zokiny. Nanao arotava sy aron’akanjo fotsy avokoa ny mpanao fihetsiketsehana. Tsy nisy fanapahana arabe na tao anatiny na tao ivelan’ny faritry anjerimanotolo. Nifarana ny fitokona tokony ho tamin’ny 10 ora sy sasany teo rehefa avy nanao tatitra ny mpitarika, izay nanambara fa efa niantso ny tompon’andraikitra tany amin’ny Ministera sy ny lehiben’ny sampa-pianarana fa efa vonona ireo vola mahakasika ny vatsim-pianarana 05 volana sy ireo tambim- piofanana izay hivoaka afaka 20 andro miaraka amin’ny fampitaovana. Niparitaka nody ny mpianatra avy eo. Milamina tanteraka ny teny an-toerana. Na izany aza mbola tsy noravaina ireo fepetra noraisin’ny Emmo Reg ho fisorohana izay mety fihoaram-pefy mitarika fanakorontanana sy ny fanararaotana.

Ny Fanoratana.

Fermer