PolitikaSongadim-baovao
ANTENIMIERANDOHOLONA : Nankatoavin’ny HCC ny lalàna mifehy ny fitsipika anatiny
Nivoaka omaly ny fanapahana avy amin’ny Fitsarana Avo momba ny lalàmpanorenana (HCC) mahakasika ny Fitsipika anatiny mifehy ny Antenimierandoholona. Nilaza ny HCC fa misy andinin-dalàna tsy maintsy hodinihina miaraka amin’ny fahefana mpanatanteraka, ary misy andinin-dalàna tamin’ireo natolotra kosa no mifanaraka avy hatrany amin’ny Lalàmpanorenana. Araka izany, raha miainga amin’izay voarakitra ao amin’ity fitsipika anatiny vaovaon’ny Antenimierandoholona ity, nisy fiovany ireo rafitra sy ny mpiara-miasa ary ny mpikambana eo anivon’ny birao maharitra. Araka ny fantatra dia manana kabinetra ny Filoha, izay ahitana ny talen’ny Kabinetra, ny “attaché de cabinet” miisa efatra, mpanolontsaina manokana maharitra enina, mpanolontsaina teknika maharitra 14, “attaché de presse” miisa roa, Aide de camp iray, Assistants permanents folo, Jurisconsultes roa, ary mpitan-tsoratra manokana iray. Etsy ankilany, ny Filoha lefitra dia manana kabinetra ahitana assistant parlementaire maharitra miisa folo. Ankoatra izay, manana assistant parlementaire miisa folo sy mpanolontsaina teknika miisa telo, tendren’ny Filohan’ny Senat, araka ny soso-kevitra naroson’ny Loholona tsirairay. Mikasika ny vondrona parlementera, araka ny andininy faha 167, afaka mivondrona araka ny fironana politika misy azy ny Loholona, ary olona efatra farafahakeliny no mikambana ao aminy.




