KolontsainaSamihafaSongadim-baovaoSosialy
FAMAKIAM-BOKY AN’ARABE: Paikady vaovao hampiroboroboana ny vaky boky
Mifanindra an-dalana tanteraka amin’ny politikan’ny Minisiteran’ny Serasera sy ny Kolontsaina amin’ny fampiroboroboana ny tontolon’ny Vaky Boky eto amintsika ny nametrahana ny toeram-pamakiam-boky an’arabe eo anoloan’ny Masoivohon’I Inde etsy Tsaralalàna. Nosokafana tamin’ny fomba ofisialy omaly ity toerana ity, teo anatrehan’ny Minisitry ny Serasera sy ny Kolontsaina, sy ny Masoivoho Indianina eto amintsika.
Tafiditra soa aman-tsara ao anatin’ny fandaharanasa sy ny politikan’ny Minisiteran’ny Serasera sy ny Kolontsaina ny fampiroboroboana ny vaky boky amin’ny endriny maro. Anisan’izany, ny hetsika « Ndao hamaky boky an-kalamanjana », ny « Ndao hamaky boky an-tsekoly », izay efa nifantohan’ny Minisitera nanomboka ny taona 2019. Amin’izao fotoana, hiitatra amina sehatra hafa ny paikady fampiroboroboana ny vaky boky, amin’ny alalan’ny fiarahamiasa amin’ny Masoivohon’I Inde, tamin’ny fanokafana ny toeram-pamakiam-boky an’arabe etsy Tsaralalàna. Nanazava ny Minisitra Lalatiana Andriatongarivo fa zava-dehibe ny fisiana fiarahamiasa tahaka izao eo amin’i Inde sy I Madagasikara. “Firenena nametraka hatrany ho laharam-pahamehana ny fifanakalozana ara-kolontsaina i Inde, ka tsy nisalasala ihany koa ny teo anivon’ny Ministeran’ny Serasera sy ny Kolontsaina, nanamafy izay fiarahamiasa izay”, hoy ny fanazavana. Hisokatra ho an’ny rehetra, tsy hanavahana, ity ivo-toerana etsy Tsaralalana ity, ho an’ireo izay liana sy mankafy ny vaky boky.
Afaka mindrana boky
Nanazavana ny Minisitra fa afaka misoratra anarana etsy amin’ny Masoivohon’i Inde ireo izay liana amin’izany ary afaka mindrana boky na mamaky eo an-toerana. Notsiahiviny fa tombontsoa maro no ho azo anatin’ny famakiam-boky ary hanohy hatrany ny fampiroboroboana ny fampitana izany lalan-tsaina izany ny Minisitera.
Marihana fa nosokafana omaly, tetsy Tsaralalàna, manoloana ny Masoivohon’i Inde ny ivo-toeram-pamakiam-boky an’arabe na ny “Street Library”. Nanome voninahitra izany lanonana tsotra izany ny Minisitry ny Serasera sy ny Kolontsaina, Lalatiana Andriatongarivo, niaraka tamin’ny Masoivohon’i Inde miasa sy monina eto amintsika, SEM Abhay Kumar. Nandritra ny fandraisam-pitenenany, nilaza ity Masoivoho Indianina ity fa fifaliana ho azy ireo ny hanolotra boky ho an’ny “India Corner” izay napetraka eo anivon’ny Tranombokim-pirenena, izay hanampy amin’ny fampahafantarana ny literatiora indianina eto Madagasikara.




