Songadim-baovao
Novonoina tamin’ny fomba feno habibiana : Zandary iray lavo teo am-panatanterahana iraka
Namoy ny ainy teo am-panatanterahana iraka ny zandary iray, afakomaly, tany amin’ny kaominina Besakay, anatin’ny distrikan’Ambatondrazaka, Faritra Alaotra Mangoro. Novonoin’ireo Zazamena tamin’ny fomba feno habibiana izy, raha naratra nandritra ny fifanjevoana ny zandary iray hafa niaraka taminy…

Namoy ny ainy teo am-panatontosana iraka momba ny fiarovana ala, ny Zandary iray miasa ao Ambatondrazaka, afakomaly tao Amparibolana, fokontany Mandanivatsy, kaominina Besakay, distrikan’ Ambatondrazaka, Faritra Alaotra Mangoro. Nahazo taratasy fangatahana fiaraha-miasa avy amin’ny DREDD na ny « Direction régionale de l’environnement et du développement durable » Ambatondrazaka ny Vondron-tobim-paritra zandarimaria any an-toerana, hanampy ireo mpiasan’ny ala hanao fitsirihana ifotony momba ny tevy ala any Mandanivatsy, kominina Besakay. Voatendry ny zandary miisa roa hanampy ireo Mpiasan’ny ala ka nisy ny fidinana tany ifotony. Rehefa tonga tany Amparibolana izy ireo, olona roa no fantatra fa voarohirohy ho tompon’antoka tamin’ny fanimbana ala ka nentin’izy ireo tany anaty ala hijery ifotony ny tavy nataony, izay tantanin’ny Vondron’olona ifotony na ny VOI any an-toerana. Hita tokoa fa simba ny ala. Rehefa niverina avy anaty ala ireo zandary sy ny Mpiasan’n ala ary ireo voarohirohy tokony ho tamin’ny 10 ora teo, efa nisy andian’olona nitam-piadiana niandry teo an-tanànan’Amparibolana, nangataka ny hamotsorana ireo roa lahy voarohirohy. Navotsotr’ireo zandary sy ireo mpiasan’ny ala ireo olona roa ireo, mba tsy hisian’ny fifandonana sy rà mandtiaka ka hotohizina ny famotorana. Tampoka anefa, nokapain’ny iray tamin’ireo Zazamena, ilazana ireo ZAnaka Mpiarak’Andro MIray (ZAMAMI) avy any Alaotra ny lohan’ilay zandary iray, ka lavo tamin’izany izy.
Norobain’ireo andian’olona ny basy…

Nitangorona teo amin’ilay zandary lavo ireo andian’olona haka ny basin’ilay lavo, ka nanao tifi-danitra ilay Zandary niaraka taminy. Tsy resy tosika ireo olona ka voatery nitifitra olona iray izy ka lavo. Azony nandritra io fifanjevona io ny basin’ilay zandary namany. Voatery nandositra izy niaraka tamin’ireo basy roa sy ireo Mpiasan’ny ala. Nanenjika avy ao aoriana ireo Zazamena ka afaka ora iray nifanenjehana, dia babo izy telo mirahalahy. Mbola namaly tifitra ihany ilay Zandary ka nahatifitra zazamena roa hafa tamin’io fitsoahany io, ka ny iray maty ary ny iray kosa, naratra. Nisy iray tamin’ireo Zazamena nanakana ny Zazamena sy ireo andian’olona tsy hamono azy ireo.
Mbola nitohy hatrany ny daroka sy tsindrona vy maranitra nataon’izy ireo. Nampadohalihina teo ampovoan-tanàna izy telo mirahalahy mandra-pahatongan’Ingahy Ben’ny Tanàna Besakay nandresy lahatra hamotsorana azy ireo. Ankoatra izay, zandary enina hafa avy ao Solazaina tonga nanao vonjy taitra tany fa tsy navelan’ireo fokonolona hanavotra azy telo mirahalahy, raha tsy niandry ny Ben’ny Tanàna. Rehefa avotra izy telo mirahalahy sy ny basy teny am-pelatanan’ireo fokonolona dia niroso naka ny razana tany amin’ny toerana nahafaty azy ireo zandary. Efa misokatra ny famotorana sy fikarohana ireo nahavanon-doza sy nitarika ny fikomiana. Ny Fianakaviamben’ny Zandarimariam-pirenena dia miondrika am-panajana eo anatrehan’ireo fahoriana mitranga.
Zandary iray koa no namoy ny ainy, tao amin’ny fokontany Ambohibato, anatin’ny Kaomininia Ambohimanambola, rehefa nidiran’ny jiolahy an-keriny tao an-trano. Efa misy olona iray tratra momba ity raharaha ity. Misokatra ny fanadihadiana momba ity raharaha iray nahafatesana zandary ity.



