Songadim-baovao
« Caravane du Sud » : Mitohy ny fanampiana ara-tsakafo ireo ianjadian’ny Kere
Taorian’ny fampahahafantarana tamim-pomba ofisialy ireo fiara vaventy hitondra vatsy ho fanampiana ny vahoaka any Atsimo, niarahana tamin’ny Filoham-pirenena, ny 19 janoary lasa teo. Mandeha ny « Caravane du Sud », izay hitsinjarana ireo fanampiana ara-tsakafo ho an’ireo tratran’ny tsy fanjarian-tsakafo mahery vaika any amin’ny Faritra Anosy sy Androy iny….

Nandritra ny fitsidihana nataon’ny Filohan’ny Repoblika Andry Rajoelina tany Tolagnaro, ny 19 janoary 2021 no nampahafantarana tamim-pomba ofisialy ny fisian’ireo fiara vaventy hitondra vatsy ho fanampiana ny vahoaka any Atsimo. “Caravane du Sud” no hiantsoana ity fandaharanasa ity ary mandray anjara feno amin’izany ny eo anivon’ny Tafika, amin’ny alalan’ny CCOK. Tamin’io fotoana io no nandefasana ny andiany voalohany amin’ireo fiara vaventy amin’ny « Caravane du Sud » izay hitsinjara ireo fanampiana ara-tsakafo ho an’ireo tratran’ny tsy fanjarian-tsakafo mahery vaika ao amin’ny faritra Anosy sy Androy. Hifarimbona amin’ny fandrindrana ny fizarana ireo fanampiana ireo any an-toerana ny ONN sy ny CCOK miaraka amin’ireo mpiara-miombona antoka rehetra. Tao aorian’ny fahatongavan’ny fanampiana toy ny vary, Tsaramaso, koba, menaka dia niroso tamin’ny fizarana izany ho an’ny vahoaka any Atsimo ny CCOK Amboasary. Nisitraka izany ny Fokontany Anjamalaza, Andavabaza, Afomagnary sy ny kaominina Behara, izay misy ny fokontanin’i Bekiria ary kaominina Ifotaka.
Hanomezana tany ireo mponina

Nisy koa ny fizarana sakafo mafana izay notarihin’ny minisitry ny Fiarovam-pirenena niaraka tamin’ny minisitry ny Rano sy ny Fidiovana ary Fanadiovana, ny Governoran’ny Faritra Anosy ary ny lehiben’ny BMM3. Etsy ankilany, nanatanteraka fitsaboana maimaimpoana tao amin’ny kaominina Behara ny dokotera miaramila. Ankoatra ny fizarana ireo vatsy, andraikitry ny miaramila ny miantoka ny filaminana mandritra ny fizarana sy ny fiambenana ireo famatsiana ireo any an-toerana. Hipetraka ao Ifotaka, distrikan’Amboasary Atsimo koa ny tetikasa « Titre vert », izay hanomezana tany ireo mponina hahafahan’izy ireo mamboly. Hisy ny fiofanana mandritra ny dimy volana manomboka ny volana febroary izao, mba hahatonga azy ireo hahaleo tena sy hihary. Marihina fa hitombo isa tsikelikely arakaraka ny zava-misy ireo olona mpisitraka izany. Izao no natao dia hanatanterahana ny fanamby lehibe napetraky ny Fitondram-panjakana amin’ny fanafoanana ny tsy fanjarian-tsakafo sy ho fanatanterahana ny vinan’ny Tafika, mba hanakaiky ny vahoaka hatrany.


