KolontsainaSamihafaSongadim-baovaoSosialy

FANOVANA TOETSAINA : Hamafisina ny fanentanana momba ny kolontsain’ny Asa sy Ezaka

Kolontsaina vaovao tian’ny eo anivon’ny Minisiteran’ny Serasera sy ny Kolontsaina hapetraka eo amin’ny fiarahamonina malagasy ankehitriny ny Kolontsain’ny Asa sy ezaka. Ity farany izay tsy hafa fa fandaharanasa mifototra amin’ny fanentanana ny olom-pirenena mba ho tomponandraikitra amin’ny lafiny rehetra. Ary hiala amin’ny toe-tsaina izay tsapa fa efa tsy nampandroso hatrizay. Tiana hasongadina ao anatin’ny tetikasa, noho izany, fa ny Asa sy Ezaka hatrany no fanalahidy hahafahana mivoatra amin’ny fiainana.

Very tanteraka ny lanjan’ny asa sy ny ezaka ankehitriny. Milaza ho te handroso ny olona kanefa tsy te handray andraikitra. Misy indray te hahazo toerana sy laza amina andraikitra iray kanefa fa tsy te handray ny tena andraikitra mifandraika amin’izay. Efa zary mahazatra ny Malagasy hatrizay koa ilay hoe “te ho mpanan-karena tampoka”. Etsy ankilany, tsy vitsy ireo olona mimenomenon-dava ho tototra olana nefa tsy mitady vahaolana. Ireny rehetra ireny dia toe-tsaina sy fomba fisainana raiki-tapisaka amin’ny ankamaroan’ny Malagasy ka mampiitsoka antsika amin’ny fandrosoana tokony hisy eto Madagasikara. Izany hoe, singa iray hahafahana mitondra fiovana goavana eto amintsika ny fanovana toe-tsaina sy ny fametrahana indray ny Kolontsain’ny Asa sy Ezaka. Nanazava ny teo anivon’ny Minisiteran’ny Serasera sy ny Kolontsaina fa matetika isika eto Madagasikara dia mitady olon-kafa hohelohina foana amin’ny toe-javatra mitranga iray fa tsy te ho tompon’antoka mihitsy. Ary koa, misy ireo “manonofy minitram-pandresena, dia minitra iray hahazoana izay ilana rehetra, tsy an-kihetsika eo”. Izany hoe, tahaka ny miandry fahagagana fotsiny.

Isika eto Madagasikara te ho afa-po, te-hanana, te-ho hitan’ny hafa hoe sambatra, te hiadana nefa tsy tonga saina fa ny asa no hany hahatongavana amin’izany. Maro koa ireo te hahay nefa kamo hianatra, te-handroso nefa kamo handray andraikitra, te-hivoatra nefa tsy manam-piniavana, te-hahita ny firenena mandroso nefa tsy mandray ny andraikitra farany bitika tandrify azy akory. Ankoatra ireo, isany toe-tsaina mampahonena amintsika eto Madagasikara ihany koa ny fiheverana fa havendranana ny miasa be isan’andro, hany ka lasa manorina fiainana mifototra amin’ny lainga, ny fisolokiana, ny halatra, ary ny fitsiriritana.

Manana endrika sivy

Endrika sivy farafahakeliny, hoy ny avy eo anivon’ny Minisitera, no hisehoan’ny tsy fananana ny Kolontsain’ny Asa sy Ezaka. Voalohany indrindra amin’izany ny fiononana. Faharoa, ny hakamoana. Eo koa ny tsy fahatsiarovan-tena ho tomponandraikitra, tsy mahatsiaro tena ho voakasika amina toe-javatra iray, fanantenana mana avy any an-danitra, ny tsy firaharahina, ny fangatahana fanampiana hatrany amin’izay atao rehetra, ny fitiavana hahazo ny zava-drehetra eo no ho eo, ary ny ty sy nday. Tanjona amin’ity fandaharanasa ity ny hanentana ny olom-pirenena hanome hasina sy hampisy vidiny indray ny asa sy ezaka. Raha tsiahivina dia efa nisy ny hira fampahafantarana mahakasika ity fandaharanasa Asa sy Ezaka ity izay efa hita sy mandeha eny anivon’ny Haino aman-jery samihafa eny amin’izao fotoana.

Fermer