PolitikaSongadim-baovao
RAHARAHA DOUBLONS? : Diso olona hadihadiana ireo Loholona teo aloha
RAHARAHA DOUBLONS? : Diso olona nohadihadiana ireo Loholona teo aloha
Tafiditra tao anatin’ireo raharaha nitondran’ireo Vaomiera mpanadihady natsangan’ireo Loholona teo aloha, fanadihadiana ny mahakasika ny filazana fa misy laharana karapanondro miverimberina ao anatin’ny lisi-pifidianana nampiasaina tamin’ny fifidianana ny taona 2018. Nitondra ny fanehoan-keviny mahakasika izany ny Minisitry ny Atitany sy ny Fitsinjarampahefana, omaly, raha nivahiny tao amin’ny fahitalavi-pirenena. Fanamarihana napetrany voalohany ny nanatanterahan’ireto Loholona teo aloha ireto ny tatitry ny fanadihadiana efa iray andro mialohan’ny hidiran’ireo Loholona vaovao handimby toerana azy ireo eo amin’ny asany. Ny nisian’ny fifidianana anefa efa tany amin’ny taona 2018. Ankoatra izay, notsiahivin’ny Minisitra Razafimahefa Tianarivelo, fa ny 11 Jona 2018 no voatendry ho Minisitry ny Atitany sy ny Fitsinjarampahefana ny tenany. Ny didim-panjakana mampiantso ny olom-pirenena hifidy anefa dia nilaza mazava tsara fa ny lisi-pifidianana nifarana ny volana aprily 2018 no ampiasana amin’ny fifidianana Filoham-pirenena. Izany hoe, mbola tsy teo amin’ny toeran’ny Minisitra Andriamatoa Razafimahefa Tianarivelo tamin’ny fotoana namaran’ny tomponandraikitra ny fikitihana ny lisi-pifidianana. Raha misy olona tokony hohadihadiana, noho izany, hoy ity tomponandraikitra ity, dia ny mpitantana tamin’ny fotoana nikitihana ny lisi-pifidianana.
Tsy asan’ny Minisitera
Na izany koa aza, “tsara marihana fa ny anjara asan’ny Minisiteran’ny Atitany sy ny Fitsinjaram-pahefana dia mamolavola ireo didy aman-dalana sy ny fitsipika ary manome tanana ny Ceni, raha ny lafiny fifidianana no asian-teny”, hoy izy. Tsy manana fahefana hikitika ny lisi-pifidianana mihitsy noho izany ny Minisitera. Raha tsorina, ny Vaomieram-pirenena mahaleo tena misahana ny fifidianana irery ihany no manana andraikitra voalazan’ny lalàna amin’ny fikitihana ny lisi-pifidianana. Mbola diso olona hadihadiana ihany koa izany ny vaomiera mpanadihady teo anivon’ny Antenimierandoholona raha nampiantso ny avy amin’ny Minisitera.
Teo anatrehan’izany anefa, tsy nanda ny fampiantsoana nataon’ireo Loholona teo aloha ireo ny Minisitera fa nandefa solontena namaly ny fanadihadiana tany amin’ny misy azy ireo. Diso noho izany ny filazana fa tsy namaly ny antson’ny vaomiera mpanadihady ny Minisitry ny Atitany sy ny Fitsinjarampahefana. “Ny tena marina dia nisy iraka tsy azo nialana ka antony tsy nahafahana tamin’io fotoana io”, hoy ny Minisitra. Ny 7 janoary teo dia mbola nisy hatrany ny fampiantsoana nataon’izy ireo ary tonga ny avy amin’ny Minisitera. “Ry zareo tokony hanao ilay fanadihadiana indray no tsy tonga fa hoe efa mamarana ny fanadihadiana hono, araka ny voalazan’ny olona nandray ireo solontenan’ny Minisitera tonga tany”, hoy ny Minisitra. Ity farany izay nilaza fa tsy tokony ho fotoanan’ny fandrebirebena saim-bahoaka intsony izao.



