Songadim-baovao
Hetsika « Caravane du Sud » : Tokantrano 1400 ianjadian’ny kere nisitraka tohana ara-tsakafo
Mitohy ny hetsika « Caravane du Sud » anampiana ireo olona tena ianjadian’ny kere any amin’ny Faritra Atsimon’ny Nosy iny. Tokantrano miisa 1400 tao amin’ny fokontany Erada sy Boteoke no nandray ireo fanampiana omaly tany an-toerana….

Mitohy hatrany ny fanampian’ny Fitondram-panjakana ireo mpiara-monina any Atsimo. Noraisin’ny minisitry ny Fiarovam-pirenena, ny Jly Rakotonirina Richard sy ny Minisitry ny rano, ny fidiovana ary ny fahadiovana, Rtoa Voahary Rakotovelomanantsoa, ireo tomponandraikitry ny CCO-K notarihin’ny Jly Pikulas sy ny Governoran’ny Faritra ary ireo Solombavambahoaka tany Ambovombe Androy, Faritra Anosy ireo fanampiana ara-tsakafo avy amin’ny Fanjakana ho an’ireo mponina ianjadian’ny kere any amin’ny Faritra Atsimon’ny Nosy. Mahatratra 1.000 taonina mahery ireo fanampiana ara-tsakafo nentin’ny tandavam-piarakodia ka noraisin’ny CCO-K izany ary hozaraina araka ny fandaminana. Any an-kianja, mampiasa ireo olona sy fitaovana rehetra eo am-pelatanany ny minisiteran’ny Fiarovam-pirenena, toy ireo miaramila sy fiara mandrafitra ny BMM3 ary indrindra ireo angidimbin’ny Tafika an’habakabaka, izay manafaingana tokoa ny fizarana. Raha ny omaly, tao amin’ny fokontany Erada sy Boteoke izay ahitana tokantrano 1.400 araka ny fanisana natao no nisitraka ny tohana ara-tsakafo.
Velom-panantenana ireo mponina…

Nambaran’ireo mponina ireo fa mahavelom-panantenana azy ireo ny fahitany ny tomponandraikitra ambony eto amin’ny Firenena toy ny Minisitry ny Fiarovam-pirenena, tonga ifotony mizaha ny fahasahiranan’ny vahoaka ary mikaroka vahaolana hamonjena azy ireo. Efa ho herinandro tokoa mantsy ny minisitry ny Fiarovam-pirenena no tany Amboasary Atsimo nanara-maso ny fivoaran’ny toe-draharaha. Mijery izay mety ho sakana sedrain’ny CCO-K, amin’ny fanatanterahana ny asany ka manome vahaolana, mba hampirindra ny asan’ireo mpiara-miombona antoka amin’ny Fitondram-panjakana rehetra toy ny Governora, ireo olom-boafidy, ny mpiasam-panjakana ary ireo mpisehatra hafa. Nandritra ny fandraisana ireo fanampiana avy amin’ny Fanjakana, nisy ny dinikasa notarihin’ny Minisitry ny Fiarovam-pirenena niaraka tamin’ny Minisitry ny Rano sy ny Fidiovana ary ny Fahadiovana sy ny tomponandraiki-panjakana any an-toerana nahitana ny Governoram-paritra sy ireo lehiben’ny Sampandraharaha isan-tsokajiny ary ny olom-boafidy any an-toerana.
Hisitraka ireo mponina tena sahirana

Isan’ny lahadinika notontosaina, ny fomba hanamorana ny fizarana tsy an-kanavaka ireo fanampiana avy amin’ny Fanjakana ka samy hisitraka izany avokoa ny mponina tena sahirana ara-pivelomana. Teo koa ny famisavisana ny vahaolana maharitra amin’ny famatsiana rano, ny fampiroboroboana ny fambolena sy ny fiompiana, mba hanafoanana tanteraka ny tsy fanjarian-tsakafo aty amin’ny Faritra Atsimon’ny Nosy. Toy ny natao tany Amboasary Atsimo omaly, dia nankasitraka ny asa rehetra efa vitan’ny CCO-K ary nitondra fanatsarana amin’ny fomba fiasany, ny Minisitry ny Fiarovam-pirenena miaraka amin’ireo tomponandraikitra ara-panjakana sy ny olom-boafidy ary ireo tsara sitrapo, hanafainganana ny famonjena ireo mpiray tanindrazana.



