PolitikaSamihafaSongadim-baovaoSosialy

ORINASA JIRAMA: « Hatsarao aloha ny tolotra, vao mampiakatra faktiora”, hoy ny Filoha

Toromarika hentitra no nomen’ny Filoha Andry Rajoelina ny mpitantana ny Orinasa Jirama, omaly, tao an-drenivohitry ny Faritra Atsinanana. Orinasa misehatra amin’ny fanomezana tolotra ny vahoaka ny Jirama, hoy izy, ka tokony hanome fahafaham-po ny vahoaka ihany koa. Notsindriany, araka izany, fa raha manana vina hampiakatra faktiora ny Orinasa Jirama dia tokony hanatsara ny tolotra omeny ny vahoaka ihany koa.

Nanisy resaka mahakasika ny resabe niseho nanomboka ny herinandro lasa teo ny Filoha Andry Rajoelina, omaly, tao Toamasina, raha nitokana ny toby famokarana herinaratra mandeha amin’ny herin’ny masoandro. Fotoana izay natrehin’ny Tale Jeneralin’ny Orinasa Jirama. Nahitsy sady tsy niolakolaka ny Filoham-pirenena nanakiana ny fomba fiasa ny tolotra omen’ity orinasa miandraikitra ny famatsiana Jiro sy Rano eto Madagasikara ity. « service public » ny Jirama, hoy izy. Izany « service public » izany dia manao izay hahafam-po ny vahoaka, na io amin’ny resaka tolotra na io amin’ny resaka sarany. Noho izany, “tsy azo ekena mihitsy ny hoe ny tolotra aotra, nefa ny faktioran’ny Jiro miakatra 100%. Ny jiro sy ny rano tapatapaka nefa ny faktiora miakatra. Isika anefa vao avy nandalo krizy ara-pahasalamana noho ny covid-19. Ny fidirambolan’ny vahoaka mbola mihena. Tsy mety izany fa hatsarao aloha ny servisy. Rehefa tsara ny servisy, izay vao tokony hampiakatra faktiora ny Jirama”, hoy ny Filoha Andry Rajoelina.

Notsiahivin’ny  fa efa nisy tranga mitovy tamin’izany tamin’ny taksibe tany aloha. Ny taksibe izay manao taingim-be sy mampiasa seza « strapontins », hoy izy, nefa mitady hampiakatra saran-dalana. Fotoana izay nanambarany fa mila halalahana ny fiara, tsy asiana mipetraka amin’ny seza afovoany, tsy manao taingim-be, izay vao tokony hampiakatra ny saran-dalana. Mitovy amin’izany ny toerana ny misy Jirama ankehitriny. “Rehefa tsy tapakapaka ny jiro, mahazo rano ny vahoaka dia miverina miaraka mifandinika ambony latabatra amin’ny fomba hijerena ny vidin-jiro”, hoy izy.

Notokanana ny « centrale solaire hybride » tao Toamasina

Ny 15%-n’ny mponina eto Madagasikara ihany no manana herinaratra ankehitriny, hoy ny Filoha Andry Rajoelina. Ny vinan’ny Fanjakana dia hahatratra 40% mahery na 50% ny vahoaka malagasy no hisitraka herinaratra. Hahafahana mahatratra izany anefa dia tsy azo ihodivirana ny fampiasana angovo azo havaozina. Isany velirano rahateo ny hoe :  » Angovo ho an’ny rehetra ». Noho izany indrindra no maha zava-dehibe ny fahazoana ny toby famokarana herinaratra mandeha amin’ny herin’ny masoandro, izay notokanana omaly tao Toamasina. Mamokatra herinaratra 2 megawatt ity « centrale solaire hybride » ity ary panneau miisa 1580 no ahafahana mahazo izany. 20 megawatt no ilain’ny tanànan’i Toamasina, araka ny fanazavana. Mbola hisy, noho izany, « centrale solaire hybride » hapetraka any Toamasina 2 hamokatra 18 megawatt. Panneau miisa 4000 eo no afaka manome izany. Mpanjifa 30 000 isa no kendrena hisitraka izany rehefa feno tanteraka ilay 20 megawatt.

Nilaza ny Filoha nandritra ny kabariny fa zava-dehibe ny fampiasantsika ny angovo azo havaozina. “Isika dia nomen’Andriamanitra masoandro sy rivotra ary rano. Ny fahaizantsika manodina ireo ho lasa Angovo hanasoa ny mpiara-belona no atao hoe fahaiza-mitantana. Izay no nahatonga antsika rehefa tonga teo amin’ny Fitondrana nanao hoe : ireo Angovo rehetra azo avy amin’ny solika dia tsy maintsy mivadika Angovo azo havaozina afaka 2 taona”, hoy izy.

Ho an’ny ao Toamasina manokana, afaka roa taona, tsy maintsy azo avy amin’ny Angovo azo havaozina ny 20 megawatts ny herinaratra miasa. Ny anton’izany dia ahafahana mampihena ny hofan’ireo milina mihodina amin’ny solika hakana Angovo, izay lasa trosa ho an’ny jirama ary orinasa vitsivitsy ihany no mahazo tombony. Ny vahoaka malagasy kosa lasa mizaka ny mafy.

Izay manana adiresy dia afaka misitraka jiro

300 000 Ariary farafahakeliny ny saran’ny fampidirana Jiro eto amintsika. Vokany, mbola marobe ireo olona tsy manana herinaratra ao an-tokantranony. Ankoatra izay anefa, matetika ny olona tsy manana adiresy mazava. Ny maro amin’ny olona dia manana taratasy ara-dalàna amin’ny trano fonenany. “Ny fepetra horaisintsika manomboka izao dia ny olom-pirenena rehetra tsy maintsy manana bokim-pianakaviana. Izany hoe tsy maintsy omena adiresy ny olona manana bokim-pianakaviana. Rehefa manana adiresy ny fianakaviana dia tokony afaka misitraka jiro avokoa”, hoy ny Filoha Andry Rajoelina. Efa nisy tetikasa niarahana tamin’ny banky iraisam-pirenena momba ny fampidirana jiro an-tanàn-dehibe, hoy izy, ary tafiditra ao anatin’izany Antananarivo. Araka izany, izay manana adiresy dia afaka misitraka jiro avokoa.

Fermer