PolitikaSamihafaSongadim-baovaoSosialy
FANAMBIN’NY FILOHA: Tonga ny fitaovana fanamboaran-dalana ho an’ny Faritra
Ny fahaleovantenan’ny Faritra no tanjona, hoy ny Filoha, mba hahamari-toerana ny tena fitsinjaram-pahefana tena izy rahateo. Noho izany, tafiditra ao anatin’ny paikady hahatrarana izany ny fanomezana fitaovana fanamboaran-dalana ireo Faritra tsirairay avy eto amintsika, izay efa fanambin’ny Filohan’ny Repoblika koa. Omaly, tao amin’ny seranan-tsambon’I Toamasina, no nitsenan’ny Filoha Andry Rajoelina ny andiany voalohany tamin’ireo fitaovana ho an’ny Faritra ireo. Fitaovana raitra sy feno no homena ny faritra tsirairay, araka ny fanazavana. Hisy, araka izany, ny “Niveleuse”, hahafahana mandravona sy mandamina ny lalana potika mampifandray ny samy kaominina. Hisy koa ny “Bulldozers”, izay afaka mamaky lalana. Etsy ankilany, “Citerne” na ny fiarabe mpitondra rano izay natao handena ny lalana, ny Compacteurs, afaka manindry ireo asa vao natao, ary ny “Chargeuses”, afaka mitaona ny tany mankao anaty fiara be mpitatitra tany na asa hafa. Tsara marihana fa “Climatisé” avokoa ireo fitaovana ireo. Izany hoe, afaka miasa amin’ny fotoana rehetra. Nanome toromarika ny Filoha fa mila hofanina ny olona izay hitondra ireo fitaovana ireo.
Hisy fifaninanana eo amin’ny samy Faritra
Raha tamin’ny Repoblika voalohany no nisitraka fitaovana lehibe ireo Faritra eto Madagasikara dia izao vao nahazo famatsiana ara-pitaovana avy amin’ny Fitondram-panjakana indray, hoy ny fanazavan’ny Filoha. 50 000km no lalana hahafana mifamezivezy, taorian’ny nahazoantsika ny fahaleovantena, hoy izy. Ankehitriny, 15 000km amin’ireo sisa no mijoro. Hisy fifaninanana masina, noho izany, eo amin’ireo samy Faritra amin’ny fanamboaran-dalana. Tanjona apetraka ny fanamboarana ireo lalana sy lalantany potika eto amintsika. Fanamby napetraky ny Filoha Andry Rajoelina ny tsy maintsy hanamboaran’ireo Governoram-paritra lalana 200km hatramin’ny 250km isan-taona. Ireo Lehiben’ny faritra araka izany no tompon’antoka amin’ireo asa fanamboarana isaky ny Faritra hiadidiany. Marihana fa ari-fomba tanteraka ireto fitaovana ireto ary ahitana ny teknolojia GPS izay hahafahana mandrefy ny ora niasan’izy ireo sy ny halaviran-dalana namboarina. Andiany voalohany ireo ary ny Faritra SAVA, Androy, Matsiatra Ambony, Bongolava, Vakinankaratra, Boeny, Vatovavy Fitovinany ary Analanjirofo no hisitraka azy ireo. Ireo andiany faharoa kosa dia higadona amin’ny volana martsa ho avy izao.



