Songadim-baovao

Besakay Ambatondrazaka : Olona 15 nosamborina momba ilay fahafatesana zandary namita iraka

Taorian’ny fahalavoan’ilay zandary ny 19 janoary lasa teo, tany amin’ny Kaominina Besakay, anatin’ny distrikan’Ambatondrazaka. Nahatratra 15 ireo olona voasambotra tamin’iny raharaha namoa-doza sy fikasana hanao fitsaram-bahoaka iny. Mbola misy ireo karohina, izay tafatsoaka indrindra ireo Zazamena…

Ampahany amin’ireo olona voarohirohy voasambotra.

Raikitra avy hatrany ny fanenjehana ireo nahavanon-doza nahafaty ilay zandary sy ireo nikasa hanatanteraka fitsaram-bahoaka, tao amin’ny fokontany Mandanivatsy, ny sabotsy lasa teo. Vokany, nahatratra 15 ireo olona voasambotra sy ireo nikasa hanao fitsaram-bahoaka tany an-toerana. Tafiditra ao anatin’ity raharaha ity ny sefo fokontany ao Mandanivatsy sy mpanolotsaina monispaly, izay mipetraka ao Amparihibolana. Olona roa koa no nosamborina, izay isan’ireo namoaka vaovao tsy marina tao anaty tambajotra ara-tsosialy « Facebook », ka tafiditra tao ny olona iray nanaparitaka sary sy Ramatoa iray, voalaza fa mpampianatra Fram tao amin’ilay tanàna. Isan’ireo mbola karohina kosa, ireo Zazamena sy ilay nandratra sy namono ilay zandary, tafiditra ao anatin’izany ny zanak’ilay sefo fokontany antsoina hoe Tofa sy Mija. Ny telo tamin’ireo olona nitsoaka avy any amin’ny fokontany Mandanivatsy no voasambotra tao an-tampon-tanànan’Ambatondrazaka, tamin’ny alalan’ny borigadin’Ambatondrazaka, isan’ireo andian’olona voalaza fa mety ho isan’ireo nandray anjara tamin’ny fanaovana fitsaram-bahoaka, ny 20 janoary lasa teo.  Mbola atao andrimaso ao amin’ny borigadin’Ambatondrazaka ireo olona miisa 15 ireo, ary ny GAPJ Alaotra Mangoro no misahana ny fanadihadiana. Mitohy, araka izany, ny fisamborana ireo Zazamena, izay tafatsoaka mankany Ambatolampy mifanila amin’i Mandanivatsy.

« Tena jiolahy ireo namono nahafaty zandary »

Nanome voninahitra ny nofo mangatsiakan’ilay Zandary ny Seg.

Notontosaina teny Ambohidroa Ambohimanarina ny sabotsy lasa teo, ny fanaovam-beloma farany sy fanolorana mari-boninahim-pirenena ary fanondrotana laharam-boninahitra ara-miaramila ny GPCE Rahajahatison Lahatra Laingotiana, izay lavo tany Besakay Ambatondrazaka, ny 20 janoary 2021. Tonga nanome voninahitra sy nanolotra ny mari-boninahi-pirenena ho azy ny Jly Ravalomanana Richard, Sekreteram-panjakana miadidy ny zandarimaria. Ny Jly Randriamanesy André, Lefitra voalohany ny Kaomandin’ny Zandarimariam-pirenena kosa, no nampisalotra azy ny laharam-boninahitra « Zandary prinsipaly kilasy manokana ». Tonga nanome voninahitra koa ny Solombavambahoaka Ravelomahazo Patrice, nisolo tena ny Filohan’ny Antenimierampirenena sy ny Sekretera jeneraly avy ao amin’ny Minisiteran’ny Tontolo iainana sy fandrosoana lovainjafy nisolo  tena ny Minisitry ny Tontolo iainana sy fandrosoana lovainjafy, sy ireo Tomponandraikitra ambony eo anivon’ny Zandarimaria ary ireo mpikambana ao amin’ny Fikambanana vady zandary (Fivaza).

Hojerena manokana ny vady aman-janak’ilay zandary namoy ny ainy.

Nandritra ny fandraisam-pitenenana nataon’ny Seg  no nilazany fa « jiolahy ireny namono nahafaty ilay zandary ireny satria tsy mba rendrarendra na hikatsaka tombontsoa manokana no nalehany tany fa namita iraka hiarovana ny Tanindrazana. Hentitra ny tenin’ny Sekreteram-panjakana miadidy ny Zandarimaria fa tsy maintsy andraisana fepetra ireo nahavanon-doza ary tsy asiana indrafo na kely aza. Karohina ary samborina koa ireo rehetra nanaparitaka vaovao tsy marina sy tsikera tsy mifanaraka amin’ny zava-nisy tao anaty tambazotra serasera momba io Zandary maty io. Hojerena manokana ny vady navelan-dRatompokolahy sy ny zanany. Nisy ny famangiana sy fankaherezana ny fianakavian’ny maty, notarihin’ny Sekreteram-panjakana miadidy ny Zandarimaria.

Fermer