PolitikaSongadim-baovao
PRAIMINISITRA NTSAY CHRISTIAN: Manamafy ny tokony hisian’ny fitoniana eto amin’ny Firenena
Nampiantso fivoriana ho an’ireo miandraikitra ny fandriampahalemana manerana ny Nosy (Organisme Mixte de Conception – niveau national) sy ireo mpikambana ao amin’ny Governemanta voakasik’izany ny Praiminisitra Ntsay Christian, omaly. Notsiahiviny fa ankehitriny dia efa voatsangana ny birao hitantana ny Antenimierandoholona ary efa tontosa ny fifamindran-toerana teo amin’ny filohan’izany Andrimpanjakana izany. “Taratry ny demokrasia ary taratry ny maha-firenena tandalàna antsika izany”, hoy izy, ary nantitranteriny ny tokony hisian’ny fitoniana hatrany eto amin’ny firenena. Nomarihiny, araka izany, fa manana adidy sy andraikitra ny rehetra, mba hiainan’ny vahoaka Malagasy ao anatin’izany fitoniana izany. Anjaran’ny “OMC national” kosa, hoy izy, no mandray andraikitra amin’ny fampandriana ny fahalemana raha sanatria misy tranga fiantsiana miseho na endrika fanakorontanana hafa izay mety hanohintohina ny fiandrianam-pirenena.
Lafin-javatra maro no voaresaka nandritra ity fivoriana ity saingy anisany nisongadina ihany koa ny momba ny tranga miseho eny amin’ny oniversite. “Misy fandraisana andraikitra takiana amin’ireo tompon’andraikitry ny oniversite satria tsy azo ekena ny fanimbàna fotodrafitrasa sy fananana iombonana raha toa misy ny fitakiana ataon’ny mpianatra, na inona na inona anton’izany”, hoy izy. Nomarihiny fa vonona ny hanome tanana amin’ny fiarovana ny oniversite ireo mpitandro ny filaminana, ka nentaniny ny hisian’ny fiarahamiasa ara-potoana mba hisorohana ny mety ho korontana.
Notsiahivin’ny Lehiben’ny Governemanta fa firenena tandalàna sy manaja ny zon’olombelona ao anatin’ny Demokrasia i Madagasikara, saingy misy fetra izany rehetra izany. Takiana amin’ny mpitondra, hoy izy, ny fanarahana ny sori-dalana mifandraika amin’izany, ary takiana amin’ny rehetra kosa ny fampiharana ny toromarika amin’izany sori-dalana izany, mba ho tombontsoa ambonin’ny firenena.




