SamihafaSongadim-baovaoSosialy
FAMBOLEN-KAZO 2021 : Zana-kazo 1 500 isa novolena teny amin’ny Vohitr’Ankazomalaza
“Madagasikara Rakotra ala” no fanambin’ny Filoham-pirenena amin’ny fampiroboroboana ny tontolo iainana eto amintsika. Ho fahatrarana izany, manao tohivakana ankehitriny ny hetsika fambolen-kazo ataon’ny Minisitera sy ireo rafitra isan’ambaratongany misy eto amin’ny firenena. Omaly, ny ekipan’ny Minisiteran’ny Serasera sy ny Kolontsaina no nanatanteraka ny anjarany teny amin’ny Vohitr’Ankazomalaza, izay namboly zana-kazo miisa 1 500.
Haintany, fihantonan’ny orana, fikorontanan’ny atmosfera amin’ny ankapobeny, ampahany amin’ny voka-dratsy ateraky ny fahasimban’ny tontolo iainana ireo. Singa iray lehibe amin’ny famerenana amin’ny laoniny io fikorontanana io ny fambolen-kazo. Amin’izao fotoam-pahavaratra izao, manao sesilany ny hetsika fambolen-kazo noho ny fisian’ny orana izay mampahazo aina aingana ireo zana-kazo volena. Ho an’ity taom-pambolen-kazo taona 2021 ity, manodidina ny 75 000ha ny velarantany hovolena hazo, araka ny fanamby napetraky ny Filohan’ny Repoblika. Mifandrimbona tanteraka amin’ny fahatrarana izany ny eo anivon’ny Minisiteran’ny Serasera sy ny Kolontsaina izay nisafidy manokana ny vohitr’Ankazomalaza, ao anatin’ny faritry ny Rovan’Ambohimanga, izay vakoka iraisam-pirenen’ny Unesco, hanaovana ny fambolen-kazo 2021. Nitarika izany fambolen-kazo izany, ny Minisitra Lalatiana Andriatongarivo, niaraka tamin’ny Ben’ny tanànan’Ambohimanga Rova.
Miara-miasa amin’ny Kaominina Ambohimanga
Zana-kazo 1.500 isa no novolena tamin’io Vohitra Ankazomalaza io, ho an’ny ekipan’ny Minisiteran’ny Serasera sy ny Kolontsaina manokana. Araka ny fanazavana, zana-kazo mahazaka soa aman-tsara ny toe-tany ireto novolena ireto, toy ny Jacaranda, Rotra, Frangipanier, Mantalys, Laurier, Frêne. Hisy ny fiaraha-miasa manokana iarahan’ny Minisitera misalahy amin’ny Kaominina Ambohimanga Rova amin’ny fanaraha-maso ireto zana-kazo vao novolena ireto. Nanazava ny avy eo anivon’ny Minisitera fa tafiditra soa aman-tsara ao anatin’ny vinan’ny Filoham-pirenena ny hetsika atao, hamerenana indray an’i Madagasikara ho Nosy maitso. Iarahan’ny rehetra mandray anjara sy manatanteraka ny fivoizana izany lalan-tsaina izany, mba ahafahan’ny olom-pirenena rehetra ho zary lasa tomponandraikitra amin’ity firenena iombonana ity. Mifameno amin’ny lalan-tsain’ny Asa sy Ezaka izay voizin’ny eo amin’ny Minisiteran’ny Serasera sy ny Kolontsaina rahateo ihany koa izany. Raha tsy misy ny finiavana sy ny fiezahana ametraka tontolo maitso eto Madagasikara, dia zary ho nofy fotsiny ihany ny hahita an’i Madagasikara rakotra ala.




