Songadim-baovao
Foibe fitsarana fiarakodia : Nizara traikefa ho an’ireo mpamily fiarakodian’ny Cnaps
Tanteraka omaly teny amin’ny Foibe fitsarana fiarakodia ao Alarobia, ny fanomezana fiofanana ireo mpamily fiarakodia avy amin’ny Cnaps. Santatra izao fa mbola vonona ny DGSR hifampizara traikefa ho an’ireo orinasa mpampiasa fiara…

Notontosaina omaly tao amin’ny efitrano fivorian’ny Foibe fitsarana fiarakodia ao Alarobia, ny fanomezana fiofanana ireo mpamily fiarakodia avy tamina orinasa mpampiasa fiarakodia. Ny avy ao amin’ny CNaPS no nisantarana izany fifampizarana traikefa izany, izay midika avy hatrany fa misy ny fisokafan’ny Foibe fitsarana fiarakodia sy ho fanakaikezana kokoa amin’ireo sehatrasa mpampiasa fiarakodia. Nambaran’ny Tale jeneralin’ny Foibe fitsarana fiarakodia, ny Jly Tsirivelo Nicolas fa « tanjona ny tokony hikojakojana ny fiara, mba ho fiarovana ny aina sy ny fananana araka ny teny filamatra hoe « Lahitokana ny aina ». Noho izany, ampahatsiahivina ny rehetra fa ilaina ny fanajana ny didy aman-dalàna mifehy ny fifamoivoizana, mba hanamarihana fa tany tan-dalàna tokoa no misy antsika sy fanatsarana ny fahaiza-manaon’ireo mpamily. Nomarihina tamin’ny fizarana mari-pamantarana na « Certificat » ho an’ireo mpamily tonga nanaraka ny fiofanana ny fiafaran’ny fotoana, mba hanaporofoana fa ananan’izy ireo ny fahalalana sy ny fahaizana amin’ny fisorohana mialoha ny loza ateraky ny tsy fahatomombanana ara-teknika sy ny fialàna amin’ny tandrevaka ataon’ny mpamily.

Nampanantena ny Foibe fitsarana fiarakodia fa fanombohana ihany izao fa ny manetsa be mbola ho avy ho an’ny sehatrasa hafa. Nanolotra fisaorana ny DGSR ny Tale misahana ny fifandraisana amin’ny andrim-panjakana, avy eo anivon’ny Cnaps, Alain Désiré Ratsimbaharison. Nasongadiny tamin’ny lahateny fa fototry ny ara-tsosialy dia ny fifampitsinjovana. Fifampitsinjovana ny mpiara-belona no nataon’ireo mpamilin’ny fiaran’ny Cnaps ireo, izay nanatanteraka fiofanana, ny amin’ny fikojakojana ny fiara, ny lalàna mifehy ny fitondrana izany sy ny maro hafa. Tiana ny manamarika fa nahatratra 55 ny isan’ireo mpamillin’ny fiaran’ny Cnaps no nahavita fiofanana teo anivon’ny Foibe fitsarana fiarakodia.




