PolitikaSongadim-baovao

LAINGA SY TSAHO ATAON’NY DEPIOTE TIM: Miantso ny Birao maharitra handray andraikitra ireo Depiote maro an’isa

Tsy misy tsy resy lahatra ny rehetra fa tsy fotoanan’ny fanakorontanana intsony izao. Nilaza ireo depiote maro an’isa eo anivon’ny Antenimieram-pirenena omaly, fa Andrimpanjakana lehibe eto amin’ny firenena ity misy azy ireo ity. Noho izany, tokony hanana ny maha izy azy ny Solombavambahoaka fa tsy hirotsaka an-tsehatra amin’ny fanelezana tsaho sy lainga tahaka ny ataon’ny Depiote TIM ankehitriny. Araka izany, miantso ny fandraisana andraikitry ny Birao maharitra ireto Depiote IRD ireto.

“Efa safidin’ny vahoaka ho lalana hahafahana mitondra an’I Madagasikara mivoaka amin’ny fahantrana ny vinam-pampandrosoana IEM natsangan’ny Filoha Andry Rajoelina ka tokony havela hiasa am-pilaminana ny Fitondram-panjakana ankehitriny”, hoy ny Solombavambahoakan’I Madagasikara, voafidy tao Miarinarivo, Fetra Rakotondrasoa, omaly. Izy sy ireo Depiote IRD namany izay niray feo, ny amin’ny tokony hanatsaharana ny fanelezana tsaho sy lainga ataon’ireo Solombavambahoaka mpanohitra,  tarihin-dry Me Hanitra sy ry Fidèle Razara Piera. Nambaran’i Fetra Rakotondrasoa fa mafampana ny toe-draharaham-politika, toekarena sy sosialy eto amintsika, vokatry ny krizy navelan’ny valanaretina Covid-19. Mbola ao anatin’ny aretina anefa isika hatramin’izao. Miteraka olana goavana eo amin’ny lafiny toekarena sy sosialy izany, hoy izy. Na izany aza, miezaka ny Fanjakana amin’ny famahana ireo olana tena miantraika mivantana amin’ny vahoaka. Eo anatrehan’izany, miantso ny vahoaka sy ireo mpisehatra isan-tsokajiny ireto depiote ireto, mba hifanome tanana amin’ny ezaka fanarenana ny Firenena fa tsy hifanomezana tsiny sy hifanakiana be fahatany.

Misy sehatra ao amin’ny Antenimieram-pirenena

Tokony hatsahatra ny tsaho”, hoy ny fanambarana. Ny Antenimieram-pirenena dia Andrimpanjakana hampiharana ny Demokrasia eto amintsika. Misy ny fomba rehetra hahafahana manao ny asa amin’ny maha solombavambahoaka ao anatin’io Andrimpanjakana io, hoy ny fanazavana. Azo atao ny manao fanadihadiana. Azo atao ihany koa ny mampiantso izay tomponandraikitra tokony hanaovana fanadihadiana amina raharaha izay ilana fanazavana, hoy izy ireo fa tsy voatery hitabataba any amin’ny haino aman-jery. “Tsy tokony ho olona avy ao amin’ny Antenimieram-pirenena no hanaparitaka lainga sy fitaka amin’ny vahoaka”, hoy ny fanazavana. Miantso ny birao maharitry ny Antenimieram-pirenena noho izany ireto Solombavambahoaka ireto mba hanao “rappel à l’ordre” ireo solombavambahoaka izay hita fa mivoaka amin’ny andraikitra sy ny maha izy azy ny Solombavambahoaka.

Marihana fa solontena ihany ireo nanao ny fanambarana omaly fa miombon-kevitra tamin’izany avokoa ireto Depiote maro an’isa rehetra ao amin’ny Antenimieram-pirenena. Efa hitan’ny vahoaka izao ny fanatanterahana ny Vina, hoy ireto Solombavambahoaka ireto, ka tsy tokony ho korontanina intsony. “Tsy nahazo sehatra tao amin’ny Antenimieram-pirenena izahay, dia tsy maintsy nidina teny amin’ny 13 mai ka antony nahatonga ny Depiote73, tamin’ny fotoan’androny”, hoy ny solontenan’ireto Depiote ireto, raha nampahatsiahy ny zava-nisy tamin’ny taona 2018. Ankehitriny, efa afaka miteny ao amin’ity Lapa ity avokoa ny depiote rehetra, ka tsy misy mihitsy antony tokony hanaovana hetsika hafa mihoatra an’izany.

Fanoherana fampandrosoana

Tetsy ankilany, nanamafy ny Depiote Andry Ratsivahiny fa betsaka ny vahoaka mangetaheta fampandrosoana sy filaminana ankehitriny. “Ny filaminana no hahafahana mampandroso ny firenena. Efa anaty ezaka ny Fanjakana.  Ka aleo tsaraina amin’ny zavatra ataony ny Fanjakana”, hoy ny fanazavany. Fotoana izay nanipihan’ireto Depiote ireto fa tsy fanoherana amin’ny tokony ho izy ny ataon-dry Me Hanitra sy ny ekipany fa fanoherana ny fampandrosoana tian-kapetraka eto amin’ny tany sy ny firenena.

Nohamafisin’izy ireo ihany fa efa azo tsapain-tanana ny ezaka rehetra ataon’ny Fanjakana amin’ny fampandrosoana ny Firenena, ary hita amin’ny Faritra rehetra manerana ny Nosy izany. Tsipahin’izy ireo, noho izany,  ny filazana fa mijanona fotsiny amin’ny fanaovana fotodrafitrasa ny Fanjakana ankehitriny fa tsy mitsinjo ny sosialimbahoaka. Efa misy sokajiny, hoy izy ireo, ny tetibola rehetra, ary tafiditra ao anatin’izany ny lafiny sosialy, fa tsy latsa-danja velively.

Fermer