SamihafaSongadim-baovaoSosialy
VAHAOLAN’NY FAMATSIAN-DRANO : Hametrahana lava-drano ireo faritra mijaly rano
Ankoatra ireo toerana izay efa tsy nahazo rano nandritra ny taona maro, misy faritra eto andrenivohitra izay fotoana fohy ihany no mampandeha ny rano. Ary ny ampahany betsaka amin’izany dia ny andro alina. Tsy vitsy noho izany ireo mampandefitra ny torimaso mihitsy miandry ny fiverenan’ny rano indray satria tsy misy na ny ho sotroina na ny hidiovana sy hanadiovana. Vahaolana ho raisin’ny Fitondram-panjakana, araka ny tatitry ny Filankevitry ny Minisitra omaly, ny fanaovana lava-drano amin’ny alalan’ny Minisiteran’ny Rano sy ny Jirama ho famatsiana ireo faritra tena mijaly rano. “Efa madiva hifarana ny fanadihadiana ara-teknika ataon’ny Minisiteran’ny Rano ka hanomboka amin’ny herinandro ambony ny fametrahana ireo lava-drano rehetra manerana an’Antananarivo sy ireo faritra saro-drano ka ahitana “nappe phréatique” afaka ahazoana mamatsy rano ireny toerana ireny”, hoy ny tatitra. Tsara tsindriana fa ny rano azo avy amin’izany dia hatao hidiovana, hanasan-damba, sy hahandroina sakafo ary hampangotrahana vao azo sotroina.
Nikaon-doha niaraka ireo mpisehatra voakasika
Isan’olana iray lehibe iainan’ny mponina eto Analamanga sy iraisan’ny Faritra maro manerana ny Nosy ny tsy fisitrahana ny rano fisotro madio ankehitriny. Mahakasika izany indrindra, ny fampiasana teknolojia vaovao mahomby hanatsarana ny fahazoana rano fisotro madio, izay mifandraika amin’ny filan’ny mponina malagasy, no isan’ny ivon’ny fivoriana izay nataon’ny mpisehatra momba ny Rano, Fanadiovana sy Fidiovana, afak’omaly. Ny fanatsarana ny tolotra mba hahazoana rano fisotro madio ho an’ny mponina rehetra ary ny hitsitsina rano no tena tanjona, raha ny fanazana. Marihana fa fivoriana fanao isan-taona mba hifampizarana traikefa izay efa ananana eo amin’ny lafin’ny fanatsarana ny fahazoana rano fisotro madio ity notanterahina ity. Isan’ny nanamarika ity fihaonana ity ihany koa ny nanolorana tamin’ny fomba ofisialy ny lahatahiry ny rano, fanadiovana sy fidiovana ho an’ny Faritra Analamanga. Ny Alatsinainy lasa teo no nanatanterahina izany fivoriana izany tao amin’ny Motel Anosy izay nahitana ireo mpisehatra eo amin’ny tontolon’ny Rano, Fanadiovana sy Fidiovana, niarahan’ny Minisiteran’ny Rano, Fanadiovana sy Fidiovana sy ny ONG Ran’Eau ary ny pS-Eau, ary notron-dRamatoa Minisitra Voahary Rakotovelomanantsoa.
LR sy Néla (Mpianatra asa)




