Songadim-baovao

Fihanahan’ny covid-19 : Arahina ny fanajana ireo fepetra eo anivon’ny sekoly

Nandray fepetra hentitra ny minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena momba ny fanarahana fepetra, isorohana ny fihanahan’ny valanaretina covid-19, eny anivon’ny sekoly. Ankoatra ireo, efa nisy mihitsy aza ny fitiliana an-tsitrapo natao teo anivon’ny minisitera, ny zoma lasa teo…

Efa nisy ny fizarana arotava teo anivon’ny minisitera.

Manoloana ny fihanaky ny valanaretina Covid-19, nanambara ny mpitsabo, Dr Volantina Ralambo sy ireo tomponandraikitra  eo anivon’ny minisiteran’ny Fanabeazam-pirenana fa efa mandray ireo fepetra rehetra hisorohana izany, izy ireo, amin’izao fotoana. Efa nisy, araka izany, ny  fizarana fanafody ho enti-miady, toy ny : CVO, « Magnésium B6 », « vitamine C », sy arovava orona. Tsiahivina, fa misy  koa ny fitiliana natao teto anivon’ny minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena ny zoma lasa teo. Toraka izany, efa mametraka ny fanarahana ireo fepetra rehetra eny anivon’ny sekoly ny minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena, toy ny fanasana tanana, ny fanajana ny elanelana iray metatra, ny fanaovana ny arovava orona.

Ho fiarovana ny zaza malagasy…

Ilaina hatrany ny misoroka ny valanaretina covid-19.

Nanambara ny Sefo Cisco, Ramananatony Harintsoa Lalaina fa efa nandray fepetra hentitra, manoloana ny fivoaran’ny valanaretina covid-19. « Tsy latsa-danja amin’ny fisorohana izany ny eto anivon’ny minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena, indrindra fa ny Cisco Antananarivo Renivohitra. Efa nisy ny fepetra noraisina teo aloha ary nanamafy izany. Efa nandray ny fepetra koa izahay manoloana ireo « geste de barrière » ireo, mba hiarovana ny zaza malagasy tsy hiparitahan’izany aretina izany eny anivon’ny sekoly », hoy izy. Nisy ihany koa ny naoty, izay efa navoakan’ny minisitera mametraka izany fepetra rehetra izany. « Antso avo no ataoko amin’ireo ray aman-dreny eto Antananarivo renivohitra dia ny mba tsy hikoropahana sy tsy hisian’ny fisavorovoroana satria efa noraisina ny fepetra. Efa natao ny fanadiovana ireo efitranon- tsekoly isanisany, toy  ny EPP, CEG na eny amin’ny lisea. Nohamafisina izany mba tsy hisian’ny  fiparitahan’ny aretina, izay ho fiarovana ny zanantsika », hoy  hatrany ny sefo Cisco Antananarivo. Ny hafatra ho an’ny mpianatra kosa, ny tsy tokony hanadinoana  ny manasa tanana, tsy mikosokosoka maso sy orona, manao arotava ary indrindra tsy mifampikasokasoka be. Rehefa tonga any an-trano, ilaina hatrany ny manasa tanana, hiarovana ny ao an-trano, ary tsy mila matahotra fa efa mandray ny andraikiny ny minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena.

Fermer