PolitikaSongadim-baovao
FAHATANTERAHAN’NY VELIRANO : Nandroso ny ady amin’ny kolikoly teto Madagasikara ny taona 2020
Fanamby voalohany indrindra nataon’ny Filoha Andry Rajoelina, fony izy, vao tonga teo amin’ny toerana maha Filoham-pirenena azy ny fanamafisana ny ady amin’ny Kolikoly. Nahitam-bokany izany raha ny tatitra mahakasika ny ady amin’ny kolikoly nivoaka omaly. Raha toa ka tany amin’ny faha-158 amin’ny firenena 180 mantsy ny toerana nisy an’I Madagasikara ny taona 2019, tafiakatra teo amin’ny laharana faha-149 isika ny taona 2020, raha ny tatitra.
Andalana tanteraka ny fahatanterahan’ny Velirano fahatelo nataon’ny Filoha Andry Rajoelina, mahakasika ny ady amin’ny kolikoly ankehitriny. Araka ny tatitra momba ny « Indice de la Perception de Corruption 2020 », nahazo isa iray Madagasikara raha mitaha amin’ny taona 2019, raha ny ady amin’ny Kolikoly no asian-teny. Raha tsiahivina, 24 amin’ny isa 100 no azon’I Madagasikara tamin’io taona 2019 io. Ho an’ny taona 2020 kosa anefa, tafiakatra 25 amin’ny 100 ny isa. Azo ambara ho kely ny fitomboan’ny naoty azo saingy ny zava-dehibe dia ny firosoan’ny ady amin’ny kolikoly eto amintsika, izay anisany fanamby goavana nataon’ny Filoham-pirenena. Nanamafy ireo mpisehatra eo amin’ny fanarahamaso ny kolikoly eto amintsika fa ny ezaka nataon’ny Fanjakana tamin’ny lafin-javatra sasantsasany teto amin ‘ny firenena no anisany nampiakatra io toerana misy an’i Madagasikara io. Notsindriana nandritra ny famelabelaran-kevitra kosa anefa fa anisany nampiakatra io toerana misy an’I Madagasikara io ny fanambarana goavana nataon’ny Filohan’ny Repoblika fony izy vao nandray ny fitantanana ny firenena mahakasika ny fanamafisana ny ady amin’ny kolikoly eto amintsika. Raha tsiahivina dia nohamafisin’ny Filoha tamin’izany ny tsy handeferana ireo izay manao ity fomba ratsy ity, na amin’ny sehatra inona na amin’ny sehatra inona.
Isany finiavana goavana nananan’ny Fitondram-panjakana ankehitriny koa ny fandaniana ny lalàna mahakasika ny fanangonana ny harena azo tamin’ny fomba tsy ara-dalàna sy ny fanendrena ireo olona mitana andraikitra amin’ny ady amin’ny kolikoly. Fa isan’ny nampiakatra ny salanisan’i Madagasikara ihany koa ny fanenjehana ireo trondro vaventy voatonontonona tamin’ny resaka kolikoly toa an’i Claude Razaimamonjy sy Mbola Rajaonah. Tetsy ankilany, ny taona 2019 sy ny 2020, an-jatony ireo trangana kolikoly notsaraina teo anivon’ny PAC, ary saika nametrahana ny “cellule anti-corruption” avokoa isaky ny Minisitera tsirairay. Ireny rehetra ireny no anisany nahatsara toerana an’I Madagasikara avokoa, hoy ny fanazavana.
Vondrombahoaka itsinjarampahefana
Araka ny tatitry ny Transparency International- Initiative Madagascar, ny any amin’ny vondrombahoaka itsinjarampahefana no anisany lohalaharana ahitana kolikoly be indrindra raha ho antsika eto Madagasikara. Manaraka azy kosa ny eo anivon’ny fitandroana ny filaminana, toy ny ao amin’ny Zandary sy ny Polisim-pirenena. Ankoatra ireo, mbola haharaisana fitarainana betsaka ny tontolon’ny Fitsarana, ny fanabeazana, ny tontolo iainana, ary ny sehatry ny harena an-kibon’ny tany. Nohamarihin’izy ireo ihany koa fa nampirongatra betsaka ny kolikoly ny Hamehana ara-pahasalamana satria nisy ny fanavakavahana teo amin’ny fandraisana an-tanana ireo marary. Niampy betsaka ihany koa ny trangana fanodinkodinana fanafody.
Na dia nisy aza anefa io firosoana io, raha ny salanisa amin’ny ankapobeny no jerena dia mbola ambany ny naoty azon’I Madagasikara. Mila hamafisina, noho izany, ny ezaka atao amin’ny ady amin’ny kolikoly. “Raha ny isa 25 amin’ny isa 100 izany dia mbola lavitra dia lavitra. Tsiahivina fa tanjona napetraka ho an’ny taona 2025 dia ny hahazo ny isa 5 amin’ny 10 isika. Izany hoe, mbola ny antsasa-dalana izay no vita nefa 4 taona sisa”, hoy ny teo anivon’ny Transparency International Initiative Madagascar.



