PolitikaSongadim-baovao
PRAIMINISITRA TAO MAROANTSETRA: Nampahafantatra ireo asa fampandrosoana maro ho atao any an-toerana
Fidinana ifotony voalohany nataon’ny Praiminisitra Ntsay Christian tao amin’ny Distrikan’I Maroantsetra, ny omaly, taorian’ny fandalovan’ny Rivodoza Eloïse teto amintsika. Nandritra izao fitsidihana izao no niresahany ihany koa ny vinam-pampandrosoana maro ho tanterahina any an-toerana, izay hatomboka amin’ireo izay tena laharaham-pahamehana ho an’ny vahoaka ao amin’ny distrika iray manontolo. Raha ny ao amin’ny kaominina Mariarano manokana dia hisitraka CEG manara-penitra ary hitadiavana vahaolana ny tsy fahampian’ny mpampianatra, hoy ny Praiminisitra. Eo amin’izay lafiny sosialy izay ihany, dia hametrahana hopitaly manarapenitra ihany koa ao Maroantsetra izay renivohitry ny distrika, ary tsy ho ela dia ho tonga ao an-toerana ny fiara mpitondra marary (ambulance), hoy hatrany fanazavana.
Mahakasika ny fotodrafitrasa indray kosa, dia nilaza ny Praiminisitra fa ho avy tsy ho ela ireo fitaovana fanamboaran-dalana izay nampanantenain’ny Filohan’ny Repoblika ary dia haverina amin’ny laoniny sy harenina ireo lalana rehetra ho fanamorana ny famoaham-bokatra. Notsindriany fa velaran-tany 40 000ha no azo trandrahana ao Maroantsetra, ka ilana fanarenana araka izany ireo fotodrafitrasa fototra eo amin’ny sehatry ny fambolena, toy ny toho-drano. Hojerena manokana ihany koa ny lafiny fandriampahalemana, indrindra rehefa fotoana fiakaran’ny rano tahaka izao ka mandao ny trano fonenany ny vahoaka.
Sehatry ny toekarena
Ankoatra izay, nasian’ny Praiminisitra resaka ny mikasika ny toekarena, nambarany fa misy fiantraikany betsaka amin’io lafiny io ny fisian’ny valanaretina coronavirus maneran-tany ka izay no mahatonga ny fihenan’ny filàna sy fanafaran’entana ataon’ireo firenen-dehibe, ary marihina fa voakasika amin’izany ny seha-pihariana lavanila sy jirofo, ka izany indrindra no nahatonga ny fitondram-panjakana sy ny mpisehatra amin’ireo seha-pihariana ireo nifanatona sy nifandinika momba ny vidin’ny vokatra farany ambany.
Marihana fa nisy ny dinika arak’asa notarihin’ny Praiminisitra tao amin’ny kaominina ambonivohitr’i Maroantsetra niaraka tamin’ireo solotenam-panjakana sy tomponandraikitra isan-tsokajiny any amin’ny Faritra. Ny fampandehanana ny asam-panjakana amin’ny ankapobeny no nifantohan’ny dinika. Nisy ihany koa ny fampahafantarana ireo asam-pampandrosoana hotanterahina ao amin’ny distrikan’i Maroantsetra, araka ny veliranon’ny Filohan’ny Repoblika.


