SamihafaSongadim-baovaoSosialy

FAHAZOANA RANO FISOTRO MADIO: Mikaon-doha miaraka ny Minisitera sy ireo mpiara-miombona antoka

Ankoatra ny olan’ny famatsian-drano eto Antananarivo noho ny fahanteran’ny fotodrafitrasa sy ny tsy fahampian’ny rotsak’orana, mbola fanamby goavana miandry ny Fanjakana, amin’ny alalan’ny Minisitera misahana ny Rano ihany koa, ny fahazoana rano fisotro madio ho an’ny any Atsimon’ny Nosy. Nisy ny fivoriana ampitain-davitra notanterahin’ny Minisitra tomponandraikitra sy ireo mpiara-miombona antoka eo amin’ity sehatra ity omaly, nandinihana ny mahakasika izany.

Faritra telo, ahitana ny Faritra Atsimo Andrefana, Androy ary Anosy, hatreto no tena ianjadian’ny tsy fisian-drano lalina, izay mampijaly ny vahoaka any an-toerana. Ankoatra ny tsy fisian’ny rano ho sotroina sy ny hahandroana sakafo, miantraika mivantana amin’ny ara-pahasalaman’ny mponina ihany koa ny olan’ny rano, ary tsy mampisy ny voka-pambolena ka mitarika amin’ny tsy fanjarian-tsakafo lalina. Noho izany indrindra no naha zava-dehibe ny nametrahana ny lohahevitry ny fihaonana teo amin’ireo mpisehatra rehetra voakasiky ny sehatry ny Rano, omaly, momba ny “Fahazoana Rano Fisotro Madio ho an’ny any Atsimon’I Madagasikara”. Fihaonana izay nahitana ny fandraisana anjaran’ny Minisitry ny Rano, Fanadiovana sy Fidiovana, Voahary Rakotovelomanantsoa. Nandritra ny fandraisam-pitenenany, namelabelatra ireo vahaolana maika sy lavitr’ezaka efa ataon’ny Minisitera izay tarihiny ny tenany. Teo koa ny fanomezana ireo toromarika rehetra amin’ny fandrindrana ny asa rehetra atao any an-toerana.

Ilàna fifandrimbonana

Ity fihaonana ity dia tafiditra ao anatin’ny tetikasan’ny Governemanta, izay sady fanatanterahana ihany koa ny Velirano faharoan’ny Filohan’ny Repoblika mahakasika ny “Rano fisotro madio ho an’ny rehetra”. Noho izany, ny vokatr’ity fihaonana ity dia maneho sahady ny fahavononan’ny Fanjakana sy ireo mpiara-miombona antoka rehetra amin’ny fitadiavam-bahaolana aingana sy maika ho an’ny vahoaka. Nandritra ity fihaonana ity, nanainga ireo mpisehatra rehetra voakasiky ny tontolon’ny Rano ny Minisitra Voahary Rakotovelomanantsoa ny amin’ny tokony hisian’ny fifandrimbonana, na ara-teknika na ara-bola, mba hahatrarana ny tanjon’ny fahazoan’ny isam-batan’olona rano fisotro madio. Marihana fa nanodidina ny 80 teo ho eo ireo mpisehatra nandray anjara tamin’ny fihaonana. Nahitana manam-pahefana malagasy,                 olona manana tetikasa, ireo vondrombahoaka itsinjarampahefana, ny “Agence de l’eau française”, sy ny sisa hafa koa. Ankoatra ny firesahana ny lohahevitra, isany tanjon’ny fihaonana ihany koa ny fihazonana ny fifandraisana eo amin’ireo samy mpisehatra voakasika.

Fermer