SamihafaSongadim-baovaoSosialyToekarena
SAMPANDRAHARAHAM-PANJAKANA : Hirosoana ny fanatsarana ny tambazotram-pifandraisan-davitra
« Fanavaozana sy fampandrosoana an’i Madagasikara hifanaraka amin’ny vanim-potoana ankehitriny sy ho avy », io no Velirano faha-11 nataon’ny Filohan’ny Répoblika tamin’ny vahoaka. Miroso ny fanatanterahana izany ankehitriny ao anatin’ny tetikasa « Fampivoarana ny tambazotram-pifandraisan-davitry ny Sampandraharaham-panjakana ». Ny Ministeran’ny Paositra sy ny fifandraisan-davitra ary ny fampivoarana ny haitao ara-kajy mirindra (MPTDN) no nanakinan’ny Filoham-pirenena ny tetikasa, saingy mpisehatra kosa maro no tsy maintsy miara-mientana ahafahana mampiainga ny tetikasa. Antony nanatanterahana ny fivorian’ireo mpisehatra voakasika amin’izany, omaly, izay notarihin’ny Minisitry ny Paositra, Andriamanohisoa Ramaherijaona, nahitana ny teo anivon’ny zandarimaria, ny Polisy, ny OTME, ny kaominina sy ny Fokontany maro. Tsara ho fantatra fa ny orinasa Huawei no hiaraka hiasa amin’izany. Tsy maintsy vitaina amin’ity taona 2021 ity ny asa rehetra mifandraika amin’ny tetikasa, hoy ny fanazavana.
Hanatsarana ny fampifandraisana ireo sampan-draharaham-panjakana, hanafainganana ny fikirakirana ny asa, hanamafisana ny paikady handrindrana ny fandriampahalemana amin’ny alalan’ny teknolojia vaovao, ireo no tanjon’ny tetikasa, araka ny toromariky ny Filoham-pirenena.
Araka ny fanazavana avy eo anivon’ny Minisitera, hisy 1550 ny fitaovam-pifandraisana sy fiseraserana (terminaux) ho apetraka, ahafahan’ny mpitandro filaminana manafaingana ny asan’izy ireo. Hisy ihany koa “camera de surveillance” maherin’ny 1000 ho apetraka, ahafahana manamafy ny fandriampahalemana. Ankoatran’ireo, hisy ny teknolojia vaovao ho apetraka eny amin’ireo sampandraharaham-panjakana hanafainganana ny asa sy hanamorana ny fifandraisana eny amin’ireo biraom-panjakana. Eo ihany koa ny fametrahana ny « Data Center Gouvernemental ». Ary ny fametrahana “fibre optique” amin’ireo toerana maro eto Antananarivo.




