KolontsainaSamihafaSongadim-baovaoSosialy

HETSIKA MBETOA HEKE : Mivoitra ny kolontsaina sy ny fomba amam-panao avy any Androy

Notanterahina omaly ny fanokafana ny hetsika « Mbetoa Heke ». Hetsika iray iarahan’ny Minisiteran’ny Serasera sy ny Kolontsaina sy ny Fikambanana SAIRY nikarakara, entina ampahafantarana ny kolontsaina sy ny fomba amam-panao mampiavaka ny Faritra Androy. Hitohy hatramin’ny anio etsy amin’ny tokontany malalaky ny ORTM Anosy ny hetsika.

Manan-karena kolontsaina sy fomba amam-panao maro ny Malagasy ary samy manana ny mampiavaka azy avokoa ny Faritra tsirairay avy. Tsy natao hampisara-bazana anefa ny fahasamihafana ara-kolontsaina fa tokony ho havadika ho harena aza, hoy ny fanazavan’ny Minisitry ny Serasera sy ny Kolontsaina, Lalatiana Andriatongarivo. Noho izany indrindra, hiezaka ny eo anivon’ny Minisiteran’ny Serasera sy ny Kolontsaina, ny hampahafantatra kolontsaina mampiavaka Faritra iray, amin’ny alalan’ny fanatanterahana ny Hetsika Mbetoa Heke.

Natomboka tamin’ny Faritra Androy ny Hetsika Mbetoa Heke, izay notanterahina omaly sy androany. Nanamafy ny Minisitra Lalatiana Andriatongarivo, nandritra ny fandraisam-pitenenany, fa tafiditra soa aman-tsara ao anatin’ny fandaharanasa ezahin’ny Minisitera voizina ao anatin’ny « Iray Ihany Isika », ny hetsika tahaka izao. Haseho mandritra ny roa andro etsy amin’ny Tokotaniben’ny ORTM Anosy ny fampirantiana sy ny fampahafantarana ireo fototra rehetra mampiavaka ny kolontsaina Androy. Ho hita ao avokoa ny fomba, ny fiaina, ny sakafo, ny fitafy sy ny taovolo, ny mozika sy ny kanto ahafantarana ny faritra Androy.

Mitohy anio

Nivoitra tanteraka nandritra ity hetsika ity ny maha izy azy ny Faritra Androy. Matetika dia ny asan-dahalo sy ny tsy fanjarian-tsakafo ary ny Kere hatrany no voaresaka rehefa miresaka iny tapany Atsimo iny. Kanefa, misy singa maro mampiavaka iny faritra iny saingy tsy voaresaka matetika, misy aza mbola tsy fantatra mihitsy. Ity hetsika atao etsy Anosy ity, noho izany, no anisany mampahafantatra ireo sakafo fihinan’ny olona any Androy, toy ny Raketa. Misongadina ao ihany koa ny taovolo mampiavaka ny any an-toerana, ny fomba fitafy, sy ny sisa hafa koa. Ho an’ny andro voalohany omaly, betsaka ireo olona tonga sy liana tamin’ny hetsika, isan’izany ireo mpianatra izay nanaraka akaiky ireo zava-niseho rehetra tao.

Tonga nanome voninahitra ny lanonana ny Minisitra Lalatiana Andriatongarivo, notronin’ireo manam-pahefana isan-tokony, anisan’izany ny Kestora voalohany eny anivon’ny Antenimieram-pirenena, ny solombavam-bahoakan’i Madagasikara voafidy tao amin’ny Distrikan’Ambovombe Androy, Henri Jean Michel no sady filohan’ny fikambanana FIZAFATO sy ireo mpitarika fikambanana avy any amin’iny Faritra Androy iny. Mbola mitohy anio ny hetsika. Maimaim-poana ny fidirana sy ny fitsidihina ireo tranoheva hanaovana ny fampirantiana mandritra io fotoana io.

LR sy Angèla (Mpianatra asa)

Fermer