Songadim-baovao
Lova nangalarina : Manahy ny fisiana kolikoly ny fianakaviana
Raha ny marina, tokony hiakatra fampanoavana amin’ny herinandro io, ny momba ity raharaha nitorian’izy telo mianadahy zanaka karana, ny Nenitoan’izy ireo, momba ilay lova nangalarina. Nanjary nitarazoka ny raharaha, ka velona ahiahy amin’ny fisiana ahiahina kolikoly izy ireo…
Tokony hiakatra fampanoavana amin’ny herinandro io, ny raharaha nitorian’ny zanaka karana telo mianadahy Hanna, Masha ary Reza Hirdjee, ny Nenitoan’izy ireo, Mezbine Onaly Laldjee. Tsy mbola tonga anefa ny fampiantsoana hatramin’izao, ka manahy ny fampitarazohana ny raharaha ny fianakaviany. Fantatra fa mandeha ny tsindry any ambadika any ka ahina ny fisian’ny kolikoly, amin’ity raharaha lova nangalarina ity. Manahy tanteraka ny fianakavian’i Hirdjee, ary manaitra ny ambaratongam-pahefana ambony hijery ny toe-draharaha akaiky. Raha tsiahivina, nisy didy nifanaovan-tsoniam-pifanarahana ny 4 aogositra 2015, izay nanome rariny ny mpitory, izay nanambara fa azy telo dahy zanaka ny lova. Nivadihan’ny notoriana. io fifanarahana io, izay nivadika ho halatra fananana sy ireo lova taty aoriana. Efa nisy ihany ny fanelanelanana nataon-dRamatoa Minaz Amarsy tamin’izany, sady vavolombelon’ny raharaha.
Niniana nohadinoina ny fitoriana vokatry ny halatra fananam-pianakaviana sy fivadiham-pitokisana, izay napetrak’izy telo dahy tany amin’ny Polisy ekonomika, izay tokony ho mpandova. Amin’ity raharaha farany no andrasana ny fanolorana azy amin’ny fampanoavana, kanefa mitarazoka indray izany. Nisy fotoana niala teto Madagasikara ilay Ramatoa Mezbine nandritra ny fotoam-panadihadiana. Efa niverina izy io, kanefa tsy mbola mandeha ny fitsarana ny raharaha. Ireo fianakaviana izay milaza fa hiady hatramin’ny farany, na misy aza manezaka ny mamilivily izany. Efa nisy ny fanadihadiana natao teny anivon’ny fitsarana, ka nahatonga azy ireo ho mailo, amin’ny mety fisiana ahiahina kolikoly izay.
Izy telo mianadahy vonona hitady ny marina :







