PolitikaSongadim-baovao

FANOHERANA ATAON’NY TIM : « Tokony hanaja ny Etika ny Depiote… » hoy ny Fizafafi

Manao tohivakana ny fanambarana manameloka ny fihetsika sy ny fikononkononana korontana ataon’ny avy amin’ny fanoherana ankehitriny. Ny faran’ny herinandro teo, ny Fikambanan'ny Zanaky ny Faritanin'i Fianarantsoa indray no nitondra ny fanehoan-kevin’izy ireo, ary nilaza fa tokony hanaja ny Etika ny Solombavambahoaka, ary tokony ho tsara fitondran-tena rehefa ivelan’ny fotoam-pivoriana ara-potoana tahaka izao, fa tsy hifampihantsy ady, na hanala baraka ny Mpitondra.

Manoloana ny fanakorontanana saim-bahoaka inian’ireo Solombavambahoaka mpanohitra atao ankehitriny, nambaran ny Fikambanan’ny Zanaky ny Faritanin’I Fianarantsoa (Fizafafi), tamin’ny alalan’ny sekretera jeneralin ny fikambanana, no sady talen’ny kabinetran’ny Filohan’ny Antenimierampirenena, Razafindranamana Pierrot, fa tokony hanaja ny Etika ny depiote, indrindra amin’ny vanim-potoana ivelan’ny fotoam-pivoriana ara-potoana tahaka izao. Tokony haneho fitondran-tena mendrika izy ireo, hoy izy, fa tsy hifampihantsy ady, na hanala baraka ny mpitondra fotsiny ihany. Notsiandrian’ny Fizafafi fa lasa fanenjehana mifototra amin’ny “halako bika tsy tiko tarehy” sy ny fanaratsiana tsy maripototra ny zava-misy eto amintsika.

Tomponandraikitra ihany koa izy ireo eto amin ny tany sy ny firenena ka tokony handroso vahaolana fa tsy ho lany andro hanakiana be fahatany sy minia mikipy amin’ireo ezaka sy zava-bitan’ny Filoham-pirenena”, hoy ny fanazavana . Aoka, hoy ny Sekretera Jeneralin’ny Fizafafi, tsy hosintomina hiverin-dalana indray ny firenena fa zara aza isika manana olona mifantoka amin’ny fampandrosoana ny firenena tahaka ny Filoha ankehitriny.

Fizafafi teo amin’ny sehatra politika

Tetsy ankilany, naneho fankasitrahana ny Fitondram-panjakana ny mpikamban’ny Fizafafi  satria tsapan’izy ireo ny fatokisan’ny Fanjakana ny Zanaky ny Fizafafi amin’ny alalan’ireo fanendrena samihafa eny anivon’ny Minisitera sy ny Andrimpanjakana isan-tsokajiny. Manantena ny fitohizan’izany hatrany ny mpikambana, araka ny fanazavana.

Marihana fa notanterahina ny faran’ny herinandro teo ny fiarahabana noho ny taona vaovao ny filohan’ny Fizafafi sady Filohan’ny Antenimierampirenena Razanamahasoa Christine, sy ny fiarahabana ireo senatora efatra, zanaky ny Faritanin’i Fianarantsoa. Nandritra io fotoana io no nampatsiahivan’ny mpikambana ao amin ny Fizafafi ny ezaka rehetra nataon’ity fikambanana ity na teo amin’ny lafiny sosialy na ny sehatra politika. Raha tamin’ny taon-dasa manokana, dia nandray anjara tamin ny fampandaniana ben’ny tanana ny fikambanana, isan izany ny eto Antananarivo. Ankoatra izay, nitondra anjara biriky tamin’ny fampandaniana ireo senatora avy amin’ny Faritanin i Fianarantsoa ihany koa ny Fizafafi. Teo amin’ny lafiny sosialy, nisy hetsika fambolen-kazo natao teto Antananarivo amin’ny maha politikam panjakana ny fandrakofana ala an’i Madagasikara. Nitondra ny anjara birikiny koa ity fikambanana ity tamin’ny ady amin’ny Covid-19 tamin’ny nanomezany fanampiana ny CRCO tany Matsiatra Ambony sy Amoron i Mania.

Fermer