Fanatanjahan-tenaSongadim-baovao
BAOLINA KITRA: Tafaverina eo amin’ny toeran’ny Filohan’ny CAF i Ahmad
Ny herinandro lasa teo no nivoaka ny fanapahan-kevitra vonjimaika noraisin’ny “Tribunal Arbitral du Sport » na ny TAS, taorian’ny fampiakarana nataon’I Ahmad mahakasika ny fanapahan-kevitry ny Fifa tamin’ny fanesorana azy hiala eo amin’ny toerana maha Filohan’ny CAF azy. Afaka miverina amin’ny toerana maha Filohan’ny Kaofederasiona Afrikanin’ny Baolina Kitra azy, araka izany, ity teratany malagasy ity. Afaka manohy ny fampielezan-keviny ihany koa amin’ny maha mpirotsaka ho fidiana azy indray amin’ny fifidianana izay ho filohan’ny CAF amin’ity taona ity. Tsiahivina anefa fa efa nisy fanapahan-kevitra noraisin’ny Fifa mahakasika ireo afaka ho fidiana amin’izay ho Filohan’ny CAF, ary niisa efatra ihany izy ireo no voaray tamin’izany. Tsy maintsy mbola hisy, noho izany, ny ady varotra ataon’ny Filohan’ny CAF ankehitriny mba hahatonga azy ho tafiditra ho isan’ireo afaka hirotsaka ho fidiana indray amin’io fifidianana ho avy io, mialohan’ny 12 Marsa.
Hisy fiantraikany amin’ny Barea
Ireo mpamakafaka ara-panatanjahantena dia nanamafy fa zava-dehibe ny nahatafaverina an’i Ahmad eo amin’io toerana io satria misy dian-tanan’ity Filohan’ny CAF ity ireny fahombiazan’ny Barean’I Madagasikara nisesisesy ireny, na nisy aza ny fiovana teo amin’ny mpilalao, ny mpanazatra, ary ny fanohanan’ny Malagasy sy ny Fanjakana. Hisy fiantraikany amin’ny fiatrehan’ny ekipa malagasy an’i Ethiopie sy Niger amin’ny volana marsa, noho izany, io fanapahan-kevitra noraisin’ny TAS io. Tsara ho fantatra fa amin’ny 02 marsa izao no hivoaka ny didim-pitsarana mahakasika ity raharaha maha voasaringotra an’I Ahmad ity, raha ny fanapahan-kevitra noraisin’ny TAS. Ity farany izay ambony indrindra amin’ireo karazana rafi-pitsarana eo amin’ny tontolon’ny fanatanjahantena misy maneran-tany. Na inona na inona, noho izany, fanapahan-kevitra raisiny dia tsy maintsy mihatra avy hatrany.




