Fanatanjahan-tenaSongadim-baovao

KIANJA BAREA MAHAMASINA: Vonona handray ny lalao CAN 2021 ny 30 martsa izao

Na dia mbola ao anatin’ny asa fanamboarana aza ny kianja Barea amin’izao fotoana izao dia efa vonona tanteraka amin’ny fandraisan’i Madagasikara ny lalao hihaonan’ny Barea amin’ny ekipam-pirenena Nigeriana ny 30 martsa izao, izay tafiditra ao anatin’ny CAN 2021.

Ho voahaja avokoa ireo fepetra teknika sy ara-piarovana takian’ny Fifa hahafahana manatanteraka ny lalao amin’ny Kianjan’ny Barea, ny 30 Martsa ho avy izao, ary hisy lamina manokana hapetraka amin’izany, araka ny fanazavana. Amin’io fotoana io dia nanapakevitra ny Fanjakana malagasy ny hametraka bozaka natoraly vonjimaika hilalaovana. Hafindra toerana izany aorian’ny lalao, hahafahana mamboly ireo bozaka efa nafarana manokana hapetraka ao Mahamasina. Noho izany, tao anatin’ny 20 andro izay dia niroso ny fametrahana « plaques de gazon » ny orinasa, izay hiarahana miasa manokana amin’ny matihanina eto an-toerana. Ilay karazana bozaka « cynodon dactylon », eken’ny Fifa ary mifanaraka tsara amin’ny toetr’andro eto amintsika, no ampiasaina amin’izany.

Manoloana ny fenitra takiana sy ny fotoana fohy hanaovana izany dia manaraka fikarakarana matihanina ireo bozaka ireo amin’ny fanondrahana tsy tapaka, ny fampiasana zezika manokana hampaniry sy hampitambatra haingana ny elanelan’ny tetika bozaka, ny fampitoviana tantana namin’ny alalan’ny fasika sy ny « rouleau compacteur » ary ny fanapahana azy. Ireo bozaka efa tazana maitso sy mitambatra tsara no napetraka voalohany, mbola misy kosa ireo izay vao novolena roa herinandro lasa izay ka mbola eo an-dalam-pitsirina.

Faritra mbola tsy azo idirana

 

Ankoatry ny kianja filalaovana dia misy ihany koa ireo efitrano sy fotodrafitrasa vitaina mba hahafahana mandray ny mpilalao, ny vahiny nasaina sy ny mpijery, manaraka ny fenitra teknika sy ara-piarovana hatrany. Tafiditra anatin’izany ny efitrano fiomanana ho an’ny mpilalao sy ho an’ny mpanazatra, ny toerana handraisana ireo vahiny nasaina manokana, ny toerana ho an’ny mpanao gazety sy ny fampitana mivantana ny lalao, ny efitra hanaovana valan-dresaka ho an’ny mpanao gazety, ny toeram-pitsaboana, ny ampahany amin’ny seza fipetrahan’ny mpijery, raha ny fanazavana. Marihina fa tsy ny kianja iray manontolo no azo ampiasaina ny volana martsa izao ka tsy maintsy hisy ny faritra izay mbola hihidy tanteraka tsy azon’ny olona idirana ho fiarovana ny ain’ny rehetra. Misy ihany koa ireo fampitaovana vonjimaika tsy maintsy atao amin’io fotoana io mandra-pahatogan’ireo fitaovana nafarana manaraka ny lamina sy ny tetiandron’ny tetikasa hatramin’ny voalohany. Mifanome tanana hanomanana izany lalao izany ny Minisiteran’ny Tanora sy ny Fanatanjahantena (MJS) sy ny Federasiona Malagasy ny baolina kitra FMF ary ireo tompon’andraikitra isan-tsokajiny. Nidera manokana ny ezaka ataon’ny Fanjakana Malagasy ny mpanazatra Nicolas Dupuis. Ankoatry ny fanaraha-maso mahazatra ny fizotry ny asa fanavaozana sy fampanarahana fenitra ny Kianja Barea Mahamasina dia niavaka ny fitsidihana teny an-toerana ny Alatsinainy lasa teo izay notarihain’Atoa Gerard Andriamanohisoa, mpanolo-tsaina manokan’ny Filoham-pirenena ary notronin’ny sekretera jeneralin’ny Ministeran’ny Tanora sy ny fanatanjahan-tena, ny filoha lefitry ny Federasiona Malagasy ny baolina kitra, ny mpanazatran’ny ekipam-pirenena Barea ary ny mpiara-miasa amin’izy ireo. Niompana manokana tamin’ny fanomanana ny fandraisan’i Madagasikara ny lalao hihaonan’ny BAREA amin’ny ekipam-pirenena Nigeriana amin’ny 30 martsa izao ao anatin’ny CAN 2021 ny fitsidihana natao. Araka izany, nilaza ho afa-po ny mpanazatra Nicolas Dupuis raha nahita ny fandrosoan’ny asa teny an-toerana ary nanome toromarika teknika vitsivitsy. Fandresena no tanjona ary namafisin’ny mpanazatra fa manome faharisihina bebe kokoa ho an’ny ekipa Barea ny filalaovana eo amin’ny kianja lehibe mitondra ny anarany.

 

Nangonin’i Néla (Mpianatra asa)

Fermer