PolitikaSongadim-baovao

SABOTSY 06 FEBROARY: Tsy hihemotra amin’ny fanakorontanana ny mpanohitra

Mibaribary tanteraka ny ao ambadiky ny lazaina fa “fitsangantsanganana”, kasain’ny mpanohitra tanterahina rahampitso, fa hetsika politika miharo fanakorontanana. Milaza ny tsy hihemotra amin’izany izy ireo ary manohy ny fandaminana rehetra mifandraika amin’ny hetsika. Na izany aza anefa, vonona handray fepetra amin’ny endrika fanakorontanana rehetra ny mpitandro filaminana.

Na inona lazaina, na inona tenenina, hetsika politika no kasain-dry Me Hanitra sy ny ekipany hatao rahampitso sabotsy 06 Febroary. Raha ny hodidina misy ankehitriny, indrindra raha izay resaka novoizina tao amin’ny “Miara-manonja” nandritra ny andro maromaro izay, dia mibaribary fa famoriam-bahoaka noho ny antony ara-politika no hatao rahampitso. Solombavambahoaka no mpitarika ny hetsika, olona mitovy fironana politika avokoa no ho avy any an-toerana, amin’ny fomba ahoana no tsy hisian’ny kabary politika amin’izany? Mody atao hevitra hahafahana mamory vahoaka fotsiny ihany ilay hoe “fitsangantsanganana”, fa hetsika politika no tena ao ambadika. Ny zavatra mateti-pitranga anefa, rehefa hanaovana teny fandrangitana sy ny fanambarana politika ankalamanjana ny vahoaka dia mora mitroatra. Ho sarotra noho izany, ny hifehy azy ireo ka tsy maintsy hiafara amin’ny sahotaka sy ny fikorontanana. Tsy maintsy handray fepetra ihany koa ny mpitandro ny filaminana ka mety hisy fifandonana. Toe-javatra tahaka izany mihitsy anefa no tanjon’ny mpanohitra raha hanao ity hetsika rahampitso ity. Mody resahina ho ren’ny besinimaro fotsiny ihany ny toerana ho aleha sy ny lalana rehetra hizorana, saingy any ambadika anefa efa misy fivoriana manokana manomana ny tetikady rehetra hatao ivelan’ny lamina lazaina imasom-bahoaka.

Fandranitana sy fanambarana politika!

Tsy zavatra mahagaga anefa izany raha ny efa nahafantarana ny Filoha teo aloha Ravalomanana Marc no hanaovana jery todika. Anisany olona liana korontanana sy ny fampiasan-kery teto amin’ny firenena izany Filoha teo aloha izany. Tsy mipetra-potsiny anefa ny mpitandro filaminana fa handray ny andraikitra rehetra mifanandrify amin’izany. Omaly, nanazava ny Prefen’Antananarivo, ny Jeneraly Ravelonarivo Angelo, fa raha tena fitsangantsanganana tokoa no ho ataon’ny mpanohitra dia tsy tokony hisy kabary politika mihitsy mandritra io andro io. Na izany aza anefa, be loatra ireo fandranitana sy fanambarana politika mandritra ny fandaharana ataon’izy ireo amin’ny haino aman-jery. Araka izany, handray andarikitra avy hatrany ireo mpitandro filaminana, raha toa ka misy fihetsika na fitenenana mifanohitra amin’ny tena tokony hatao hoe « fitsangantsangana ». Ny zavatra azo antoka anefa dia sarotra ny hino fa tsy hisy izay kabary politika izay. Izany hoe, tsy maintsy hisy ny korontana sy ny fifandonana eo amin’ireo vahoaka sy ny mpitandro filaminana, izay efa tanjon’ny mpitarika rahateo.

Ampandrana : Grenady hita tao anaty daba-pako ?

Omaly tokony ho tamin’ny 4ora hariva no nahita grenade somary efa arafesina nefa mbola mety hitera-doza hipoaka ny mpisava fako tao anaty daba-pako teny Ampandrana akaikin’ny Masoivohon’i Libia. Nampiantso avy hatrany ny mpitandro filaminana izy ireo ary ny polisim-pirenena avy eo anivon’ny Brigade misahana ny heloka be vava no tonga nijery ifotony sy manao ny fanadihadiana. Mampametra-panontaniana ihany hoe amin’izao fotoana mampafanafana ra ny mpanohitra izao no mipoitra ny toe-javatra tahaka itony. Marihana fa vao iray volana lasa izay no nisy bombe artisanaly nipoaka teny Tsiadana ka ireo roalahy nitondra azy ihany no nipoahany. Ary izao grenade mahery vaika tratra izao indray. Andrasana ny tohin’ny raharaha…

Ny Fanoratana.  

Fermer