SamihafaSongadim-baovaoSosialy
ADY AMIN’NY COVID-19: Nahazo fanampiana mitentina 2 206 577 890 ariary i Madagasikara
Samy nahita ny rehetra fa nahitana fiakarany ny isan’ireo olona voamarina fa nitondra ny tsimokaretina Coronavirus teto Madagasikara nanomboka ny volana Janoary teo. Azo ambara ho tsara fahatongavana, noho izany, ireto fanampiana avy tamin’ny OMS sy ny Pnud ireto, raha toa ka tokony ho efa tamin’ny volana Desambra tany ho any aza no natolotra ny Minisitera tomponandraikitra. Fanampiana izay hanamafisana ny ady amin’ny Covid-19, mitentina hatramin’ny 2 206 577 890 ariary.
Ao anatin’ny ady amin’ny Covid-19 eto Madagasikara, izay tarihin’ny Minisiteran’ny Fahasalamambahoaka, mitohy hatrany ny fanampiana ataon’ireo mpiara-miombona antoka ara-bola sy ara-teknika. Isany lohalaharana amin’izany ny Rafitry ny Firenena mikambana momba ny Fahasalamana (OMS) eto Madagasikara, sy ny Fandaharanasa iraisam-pirenena ho an’ny fampandrosoana (Pnud). Mahakasika izany indrindra, fitaovana sy kojakoja ilaina amin’ny ady amin’ny Covid-19, mitentina hatramin’ny 2 206 577 890 ariary no natolotr’izy ireo ny Governemanta malagasy omaly, tamin’ny alalan’ny Minisiteran’ny Fahasalamambahoaka. Ireo fitaovana ireo dia hanamafy ny fampitaovana ireo tobi-pahasalamana, hanamafy ny fiarovana ireo mpiasan’ny fahasalamana mandray an-tanana ireo mararin’ny Covid-19. Araka ny fanazavana, ny Minisitera no hisahana ny fitsinjarana ireo fitaovana ireo any amin’ireo tobim-pahasalamana hisitraka izany. Fitaovana fitiliana “GenExpert”, “Concentrateur d’oxygène”, Glucomètre, arotava, aron’akanjo, aro-tanana, fanafody, ampahany tamin’ireo fanampiana voaray omaly tetsy amin’ny Minisitera foibe ireo.
Ho alefa any amin’ny Faritra
Nandritra ny fandraisana ireo fitaovana ireo, omaly, nilaza ny minisitry ny Fahasalamambahoaka, ny Profesora Rakotovao Hanitrala Jean Louis, fa manao ny ezaka rehetra ny fitondram-panjakana hamongorana ny valanaretina covid-19 ary manampy betsaka amin’ny ady atao ny fampitaovana tahaka ny omaly. Nambaran’ny Minisitra fa tsapa nihena ny tahan’ny olona voan’ny Covid-19 tato ho ato noho ny fanaraha-maso akaiky atao ireo marary eny ifotony. “Hitohy ny ezaka ary halefa any amin’ny Faritra ireo fanaovana fitiliana GenExpert mba hanapaka ny mety ho fifindran’ny tsimokaretina sy hanamora ihany koa ny fahazoana ny valin’ny fitiliana”, hoy ny fanazavany. Fotoana ihany koa omaly nilazan’ny Minisitra fa tsy mbola misy hopitaly feno mararin’ny Covid-19 eto amintsika fa tsaho niniana naely fotsiny ihany izany. Tetsy ankilany, nohamafisiny fa ny fanajana ny fepetra sakana irery ihany no antoka mahomby indrindra tsy hampirongatra indray ny valanaretina, ary tsy hiverenana amin’ny fihibohana intsony.




