PolitikaSongadim-baovao
ANDRIANJATO VONISON SY NY TARINY: Mamafy lainga sy Mihantsy isan’andro !
Adin’ny roa latsaka kely no lanin’izy ireo isan’andro ao amin’ilay antsoiny hoe “Radio Miara-manonja”. Ny fiainam-pirenena no ambaran’izy ireo fa hitondrany famakafakana. Kanefa rehefa tena henoina izay ambarany, tsy misy afa-tsy lainga sy tsaho. Iza izy ireo ? Hanitra Razafimanantsoa, Fidele Razarapiera, Guy Maxim Ralaiseheno, Andrianjato Vonison, sy ny tariny.
“Nametra-pialana ny Praiminisitra”, “Nitsoaka ny Praiminisitra”. Ireo indray no lainga sy tsaho farany inian-dry Andrianjato Vonison aparitaka amin’ny alalan’ilay “Radio Miara-manonja”. Nolazain-dry Andrianjato Vonison, izay sady mpanao gazety no efa avy minisitry ny serasera sy ny tariny ihany koa fa “ny Minisitry ny Serasera no notendrena ho Praiminisitra mpisolo toerana”. Lainga avokoa. Tsy niandry ela dia namoaka fanambarana ny fiadidian’ny Primatiora, nandiso izany rehetra izany. “Ampahafantarina ny besinimaro fa mitana ny andraikitra feno amin’ny maha Praiminisitra sy ny maha lehiben’ny governemanta azy Andriamatoa Ntsay Christian fa tsy nametra-pialana velively”, hoy ny fanambarana, izay nampahatsiahy fa “melohin’ny lalàna” ny fanelezana vaovao tsy marina. Tsy nisy noho izany ny fanendrena olona handray vonjimaika ny asan’ny Praiminisitra lehiben’ny governemanta. Tamin’ity herinandro ity ihany, nolazain’izy ireo koa fa “niady ny mpikamban’ny governemanta ary tsy tontosa ny filan-kevitry ny governemanta”. Mbola tsy marina koa raha ny fanazavana azo avy amin’ny Fiadidian’ny primatiora sy nohamafisin’ny mpikambana maro ao amin’ny governemanta. “Efa fantatra mialoha” hoy ny fanazavana “fa tsy hisy ny filan-kevitry ny governemanta fa avy hatrany dia filan-kevitry ny minisitra no ho tontosaina.” Saika isan’andro no toy izany ny resaka ataon’ireo olon-dRavalomanana ireo ao amin’io fandaharany io. Lainga sy tsaho avokoa no afafy. Ny tanjona dia hampikorontan-tsaina ny olom-pirenena.
Mihantsy sy miantso fiokona
Mihoatra lavitr’izay, tonga hatramin’ny fiantsona ny olona sy ny miaramila hioko mihitsy ny ataon’ireo mpanentana ity fandaharan’ny “Radio Miara-manonja ity”. Farany teo, rehefa niresaka io ambarany fa fametraham-pialan’ny Praiminisitra io izy ireo dia sahy nilaza fa “tsy misy fitondrana intsony eto satria lasa nitsoaka ny praiminisitra ary ny minisitry ny fiarovam-pirenena dia tsy eto an-toerana.” Ary dia niantso ny tafika handray fitondrana mihitsy izy ireo. Herinandro vitsy izay dia efa nanao toy izany ihany ireto ekipan-dRavalomanana ireto tao amin’io fandaharana io ihany. “Mila mandray fanapahan-kevitra isika vahoaka”, hoy ny iray amin’izy ireo ny 20 janoary 2021. Toraka izany koa ny ampitso. “Mila fandraisana fanapahan-kevitra izao fanjakana izao satria miorina anatin’ny fikasana hamono vahoaka”, hoy hatrany ny iray amin’ireo mpanentana. Fihantsiana tsotra izao izay manaporofo ny fikasan-dRavalomanana sy ny ekipany hanakorontana ny firenena.
Tsy azo ekena
Sesilany ny fanamelohana ny famafazan-dainga sy fanelezana tsaho hanakorotanana. Omaly dia ny Antoko Freedom no naneho ny heviny nandritra ny Zaikaben’ny antoko natao teny Ambatomirahavavy. “Tsy azo ekena ny fanelezana vaovao tsy marina”, hoy ny fanehoan-kevitry ny antoko, izay manameloka ihany koa ny finiavan’ny mpanohitra hanakorontana ny ezaka fampandrosoana izay ataon’izao fanjakana izao. “Mitady haka fitondrana amin-kery Ravalomanana”, hoy kosa ny Solombavambahoaka Voninahitsy Jean Eugene raha naneho hevitra momba ny toe-draharaham-pirenena. Tsy nihambahambany ny nilaza fa “mamelatra fandrika” ity filoha teo aloha ity ka tokony hitandrina ny fitondrana.


